• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Toetr’andro : andro ratsy 5 hatramin’ny 9 no hiforona aty amin’ny ranomasimbe Indianina

02/10/2023 14:55 © Moov.Mg

Nanoritsoritra ny mety ho endriky ny vanim-potoanan’ny rivo-doza, aty amin’ny fari-dranomasim-be Indianina, ny Météo France Océan Indien. Tao anatin’izany no nanamafisany fa handrafitra ny toetr’andro aty amin’ny ranomasimbe Indianina ilay tranga ara-toetr’andro El Niño.

Ho taraiky ny vanim-potoanan’ny rivo-doza

Tsy dia ahiana firy ny hisian’ny rivo-doza mipaka any amin’ny morontsiraka atsinanan’i Madagasikara sy Mozambika amin’ity vanim-potoanan’ny rivodoza ity, araka ny vinavinan’ny Cycloneoi. Raha toa ka rivo-doza miisa 10 no miforona, amin’ny ankapobeny, ao anatin’ny vanim-potoana iray, dia hihena noho ny mahazatra izany satria dia ho 5 hatramin’ny 9 ihany ny andro ratsy mety handalo aty amin’ny ranomasimbe Indianina amin’ity vanim-potoana 2023-2024 ity. Hianatsimo ny fizotran’izy ireo, amin’ny ankapobeny. Tsy ahiana ihany koa ny hisian’ny rivo-doza mialohan’ny volana desambra, ho an’ity taona ity, izany hoe : somary ho taraiky ny fanombohan’ny vanim-potoanan’ny rivo-doza.

Tranga ara-toetr’andro El Niño

Ilay tranga ara-toetr’andro El Niño no hamaritra ny toetr’andro aty amin’ny ranomasimbe Indianina, amin’ny ankapobeny, ka mahatonga ireo fiovana kely amin’ny firafitry ny toetry ny andro ireo. Vokatry ny fiafanan’ny ranomasimbe Pasifika manodidina ny fehin-tany ny El Niño. Rehefa lasa mafana ny ilany atsinanan’ny ranomasimbe Pasifika, raha oharina amin’ny ilany andrefana, dia izay no ilazana fa misy ity tranga ara-toetr’andro ity. Misy fiantraikany amin’ny toetr’andro maneran-tany izany fiafanan’ny ranomasina izany. Ho an’ity vaim-potoana ity dia any amin’ny volana janoary 2024 no tena hahatratra ny faran’ny amboniny ny tranga El Niño.

Hafanana mahery vaika

Tany amin’ny volana Jolay no efa nanambara ny Fikambanana eran-tany misahana ny toetr’andro (OMM) fa hiverina ny El Niño, izay hiteraka hafanana mahery vaika noho ny mahazatra. Ny Fandaharanasan'ny Firenena Mikambana momba ny sakafo (PAM) kosa dia efa nampitandrina fa olona miisa 47,7 tapitrisa no heverina fa mety ho tratran’ny tsy fanjariantsakafo lalina aty Afrika atsinanana sy Afrika afovoany, vokatr’io tranga ara-toetr’andro io.

Lire la suite

Articles Similaires