• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mdn
Image
Vaovao

Asan-dahalo : Mihamaro ny trangana halatr’omby

28/09/2023 18:07 © Moov.Mg

Manao vy very ny ainy mandroba sy maka ireo fananan’olona hatrany ireo dahalo. Anisan’ny tena lasibatra amin’izany ireo faritra mpiompy omby. Tao anatin’ny efatra andro izao dia nahitana halatr’omby nifanesy tamin’ny distrika efatra.

Manohy ny asany, araka izany ireo miaramila mitandro ny filaminana mba hampitsaharana ny asan-dahalo toa izao.

Halatr’omby tsy latsaky ny efatra tao anatin’ny efatra andro

Omby 17 isa no lasan’ireo dahalo tao enin-dahy mirongo fitaovam-piadiana ny alahady 24 septambra lasa teo, tao Ankafotra, kaominina ambanivohitr’i Beambiaty, distrikan’i Tsiroanoandidy. Efa mateti-pitranga moa ny halatr’omby toa izao raha ny distrikan’i Tsiaroanomandidy, ary maro ireo tokatrano miompy omby lasibatra.
Omby efatra ihany koa no nalain’ireo dahalo tao amin’ny Vasiana, distrikan’i Mandoto ny alatsinainy 25 septambra. Ankoatra ny halatra sy ny fampitahorana dia niroso tamin’ny fandoroana ny tranon’ireo tokantrano ihany koa ireo dahalo tao amin’ity fokontany Vasiana ity.
Anisan’ireo lasibatry ny dahalo koa ny fokontany iray antsoina hoe Ampiolahana, ao amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Mahavelona, distrikan’i Soavinandriana, faritra Itasy, tamin’ity herinandro ity. Omby miisa enina no nalain’ireo dahalo tamin’izany, ary tsy fantatra mazava ny tena isan’ireo dahalo tonga nanafika.
Nisy ihany koa ny halatr’omby tao amin’ny kaominina ambanivohitr’Analavory, distrikan’i Manakara, omaly alarobia 27 septambra. Tsapa amin’izany fa saika isan’andro mihitsy no ahitana fandrobana omby amin’izao fotoana, ka mampitaintaina ireo tompon’omby.

Avotra ireo omby

Manoloana ireo trangana halatr’omby ireo, dia manafy ny asany ireo mpitandro ny filaminana. Taorian’ny fidirana an-tsehatry ny mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona dia avotra teny ampelatanan’ireo dahalo avokoa ireo omby voalaza tetsy ambony. Tafaverina soa aman-tsara amin’ny tompony araka izany ireo omby ho an’ireo faritra sy distrika rehetra voalaza tetsy ambony.
Ankoatra ny resaka halatr’omby anefa dia nifanena tamina andian’olona nitondra zava-mahadomelina 22 gony izay milanja 130 kilao ihany koa ireo mpitandro ny filaminana. Marihina fa nandritra ny fanarahan-dia ny dahalo, izay natao omaly tao Analavory, distrikan’i Manakara, no nahitana ireto olona niaraka tamin’ny zava-mahadomelina ireto. Nentina teny anivon’ny tompon’andraikitra hanaovana famotorona moa izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires