• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Futura_Sciences
Image
Vaovao

Antsiranana : Mandray ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny ranomasina

28/09/2023 17:58 © Moov.Mg

Androany no nanatanterahana ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny ranomasina, ka ny faritra Diana no nandray izany tamin’ity indray mitoraka ity. Tonga tany Antsiranana, nanome voninahitra ny fankalazana ny ministra roa eo anivon’ny governemanta.

Miantoka ny fiainan’ny malagasy ny ranomasina

Ny 28 septambra no ankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny ranomasina isan-taona. Anisan’ireo firenena 164 maneran-tany manamarika ity andro ity i Madagasikara. Mitana anjara toerna lehibe eo amin’ny toekarena tokoa ny fitrandrahana ny ranomasina amin’ny alàlan’ny jono raha ho an’i Madagasikara manokana. Fantatra mantsy fa miantoka ny 7% ny harikarena faobe eto an-toerana io seha-pihariana iray io, araka ny antontan’isa navoakan’ny Banky iraisam-pirenena ny taona 2020. Tantsambo malagasy maro ihany koa no mivelona amin’io sehatra io.
Ankoatra ny lafiny ara-toekarena dia mandray anjara lehibe ao anatin’ny ady amin’ny tsy fanjariantsakafo ny sehatry ny jono sy ny toekarena manga. Ny hazan-dranomasina tokoa dia mandrafitra ny 20% ny fihinana proteinina avy amin’ny biby. Manampy amin’ny fampisitrahana sakafo ara-pahasalamana sy feno ho an’ny malagasy ity sehatra ity. Mbola somary ambany anefa ny tahan’ny fihinana hazan-dranomasina raha ho an’i Madagasikara, ka nahatonga ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena manga nametraka ny tetikasa FIA Mora. Raha tsiahivina dia fiaraha-miasa eo amin’ny

Fiarovana ny ranomasina

Misedra olana maro anefa ireo sehatra izay miankina amin’ny ranomasina ankehitriny. Ny tontolo an-dranomasina mihitsy no manomboka simba raha ny marimarina kokoa, vokatr’ireo karazana loto toa ny plastika sy ny solika, eo ihany koa ny fiovan’ny toetrandro. Rariny noho izany raha miroso amin’ny fiarovana ny ranomasina ireo firenena maneran-tany ankehitriny, ary izao andro maneran-tany natokana ho an’ny ranomasina izao dia fotoana iray hahafahana mampahafantatra ny rehetra fa sarobidiny ho an’ny fiainan’olombelona io tontolo io.
Fiaraha-miasa eo amin’ny ministera
Nigadona tao Antsiranana ary ny ministry ny Jono sy ny Toekarana, Paubert Mahatante, sy ny ministry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro, Ramamonjiarivelo Valéry, hanatrika izao fankalazana izao. Marihina fa ny APMF na ny Agence Portuaire Maritime et Fluvial no angady nananana sy vy nahitana izao hetsika izao.
Miara-miasa akaiky amin’ny fampiroboroboana ireo seha-pihariana miankina amin’ny ranomasina tokoa mantsy ireo ministera roa ireo. Resahana ao anatin’izany ny jono, ny toekarena manga ary ny fitanterana an-dranomasina izay ahitana ireo tantsambo. Mandritra ity fankalazana androany ity, dia nomen-dànja mankana ireo Tantsambo, izay mivelona sy miaina amin’ny resaka fitanterana an-dranomasina.

Lire la suite

Articles Similaires