• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Ady amin’ny vaovao nodisoina : mpanao gazety 19 no nahazo fiofanana

28/09/2023 16:39 © Moov.Mg

Mampiroborobo ny fiparitahan’ny vaovao diso ny fisian’ny tambajotran-tserasera, antony namoronana ny « VaovaoCheck », sehatra iray hamoahan’ireo mpanao gazety voaofana vaovao nohamarinina. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny zon’ny rehetra hahazo vaovao, marihina isaky ny 28 septambra ihany koa izany, izay isan’ny anton’ny hetsika hotanterahina amin’ny sabotsy 30 septambra izao.

Tranonkala hamoaham-baovao

Mitondra faisana ny demokrasia, raha toa ka ny vaovao diso foana no miparitaka, hoy i Mireille Andriambolanoro mpandrindra ny tetikasa momba fitantanan-draharaham-panjakana eo anivon’ny Friedrich-Ebert-Stiftung (FES). Zava-dehibe ho an’ny olom-pirenena sy ho an’ny fiarahamonina, noho izany, ny fiadiana amin’ny vaovao diso, na nodisoina. Antony namoronana ny « VaovaoCheck » izany, ka miara-miombon’antoka ao anatin’ity tetikasa ity ny FES, ny Transparency International # Initiative Madagascar (TI-MG) ary ny Actions Médias Francophones Madagascar (AMFM). Hiseho amin’ny endrika tranonkala hamoaham-baovao izy io, ary hisy ihany koa ny pejy Facebook, Twitter sy Instagram hiaraka aminy.

Efa misy maneran-tany

Mpanao gazety 19 no nofanina mba hifandrimbona amin’ny famoaham-baovao amin’ireo sehatra ireo, izay avy amin’ny Faritra dimy eto Madagasikara. Vaovao vita fanamarinana, hivoaka amin’ny endrika lahatsoratra, na horonan-tsary, na horonam-peo izany. Hanaraka akaiky sy hanohana ireo mpanao gazety amin’izany, ireo mpanao gazety matianina sy mpampiofana. Manomboka amin’ny 10 oktobra ho avy izao no hivoaka ho hitan’ny besinimaro voalohany ireo angom-baovao voamarina, notrandrahan’ireto mpanao gazety ireto. Efa misy maneran-tany moa ny fanamarinana vaovao tahaka izao, raha ny nambaran’i Lova Rabary, mpanao gazety sady filohan’ny AMFM, fa isika no somary taraiky. Mpisava lalana ihany ireto mpanao gazety 19 ireto sy ny sehatra VaovaoCheck, fa ny mpanao gazety rehetra no entanina mba hiady amin’ny fiparitahan’ny vaovao diso na nodisoina, amin’ny alalan’ny fanamarinana hatrany ny vaovao, mialohan’ny hamoahana azy, hoy hatrany izy.

Hetsika ho an’ny besinimaro

Ao anatin’izay ady amin’ny vaovao nodisoina izay hatrany dia hisy ny hetsika misokatra ho an’ny besinimaro, hotanterahina amin’ny sabotsy 30 septambra izao, eo amin’ny lapan’ny tanàna Analakely. Hisy ny fampirantiana sary sy sariitatra manodidina izay fiparitahan’ny vaovao diso izay, hisy ihany koa ny famelabelaran-kevitra hiompana amin’ny lohahevitra hoe : « Vaovao nodisoina, voahosihosy ny demokrasia ». Amin’io andro io ihany koa no hivoaka ny gazety-boky Politikà, izay hifototra fotsiny amin’ny lahatsoratra momba ny vaovao diso sy nodisoina, izay tena manjaka, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny fifidianana izao.

Lire la suite

Articles Similaires