• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Wwf
Image
Vaovao

Biby arovana : 250 isa sisa ny simpona velona eto amintsika

28/09/2023 15:41 © Moov.Mg

Mihena miandalana ny isan’ny gidro antsoina hoe : simpona (propithecus candidus), izay tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara, antony mahatonga azy ho tafiditra ao anatin’ny lisitra menan’ny Vondrona Iraisam-pirenena ho an'ny fiarovana ny natiora (UICN). Araka izany, mila amafisina maika ny fiarovana ity karazana sifaka ity.

Any amin'ny faritra SAVA

Raha ny antontan-kevitra nivoaka tany amin’ny taon-jato faha-19 tany ho any dia saika hita nanenika ireo faritra maro teto Madagasikara ny simpona, na simpona fotsy, na ihany koa simpony. Tany avaratr’i Sambava, Faritra SAVA, no tena feno azy, araka io antontan-kevitra io. Ankehitriny anefa dia zara raha misy 250 sisa no isan’ny simpona fantatra fa velona eto Madagasikara ary ny 50 amin’ireo no lehibe afaka manome taranaka. Ankehitriny dia any amin’ny faritra SAVA hatrany sisa no ahitana ity karazana sifaka ity, any amin’ny valanjavaboahary arovan’i Marojejy, Anjanaharibe Atsimo ary Makira. Araka izany dia biby ahiana mafy ho lany tamingana ny simpona.

Naripaky ny olombelona

Ny fosa no tena biby mpandripaka ny simpona, fa ny vokatry ny asan'ny olombelona no tena atahorana handripaka azy tanteraka. Voalohany amin'izany ny fihazana, satria dia mbola betsaka ny mihinana ny nofony, na eo aza ny fandrarana izany. Eo ihany koa ny fiitaran'ny trano fonenan'ny olombelona, izay tsy mitsaha-mitombo isa, hany ka lasa manitsaka ny toeram-ponenan'ny sifaka. Amin'izao fotoana izao, araka ireo notanisaina etsy ambony, dia ireo toerana arovana sisa no ahitana ny simpona. Raha ny nambaran'ny fikambanana iraisam-pirenena miaro ny tontolo iainana(WWF), nandritra ny andro eran-tany ho an’ny varika tamin'ny taon-dasa, dia efa eo ambavahoanan’ny faharinganana ny 31%-n’ny varika na sifaka tsy fahita afa-tsy eto amintsika, ary ny 98% dia tandindomin-doza avokoa.

Lire la suite

Articles Similaires