• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Voiture électrique : Efa azo jifaina eto Madagasikara !

28/09/2023 11:43 © Moov.Mg

Tsy ho ela dia ho "électrique" ny 75%-n'ny fiara ampiasaina maneran-tany. Miroso tsikelikely amin'ny fialana amin'ny fampiasana solika isika, izay sady mihalafo no manimba tontolo iainana. Eto Madagasikara, ny vondrona VISEO, amin'ny alalan'ny "concessionnaire" Ocean Trade sy Continenatal Auto, no anisan'ireo mpivarotra fiara elektrika voalohany.

Fiara ekonomika sy ekolojika

Mitaraina amin'ny fiakaran'ny vidin-tsolika avokoa na ny mpitatitra, na ny mpandraharaha na ny olon-tsotra. Tsikaritra ihany koa nefa fa anisan'ny mahatonga ny fiovan'ny toetrandro ny setroka maloto avoakan'ireo fiara mivezivezy. Tsy ho ela izany olana rehetra izany dia ho voavaha. Efa tonga eto Madagasikara mantsy ireo karazana "véhicule électrique".
Miavaka amin'ny angovo ampiasainy izany fiara izany. Toy ny finday, mandeha amin'ny alalan'ny herinaratra ny fiara. Efa misy moa ny fampahafantarana manokana mikasika ny halaviran-dalana vitan'ilay fiara, arakaraka ny tanjaky ny "batterie"-ny. Amin'ny ankapobeny, maharitra 8 taona ny fahatezan'ny "batterie", izany hoe hahavitana eo ho eo amin'ny 160 000 km. Koa satria tsy mampiasa solika, zara raha misy ny famoahana setroka manimba tontolo iainana.

Fampirantiana miavaka

Mbola vitsy ny "voiture électrique" eto Madagasikara. Maro ireo mbola tsy nahita maso ny endrikendriky ny fiara. Izany indrindra no anentanana ny rehetra hamonjy ny "Salon de nouveautés", 2 hatramin'ny 7 oktobra, ao amin'ny foiben'ny Ocean Trade Andraharo. Misy karazana fiara "électrique" maromaro, izay mbola mora kokoa noho ny fiara "thermique" mahazatra. Koa satria mbola tsy misy "borne de recharge" eto Madagasikara, efa misy ny fitaovana hanaovana "recharge" ny "batterie"-n'ny fiara any an-trano.

Ho an'ireo izay mividy fiara vaovao rehetra, afaka mandray anjara amin'ny lalao fisarihana hahazoana fiara "gros cylindré" V8 Infiniti. Hatramin'ny 20 desambra ny lalao.


Copyright Image : © Moov

Lire la suite

Articles Similaires