• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Usaid
Image
Vaovao

Famatsiana fandrindram-piterahana amin’ny « drone » : Hisitraka ny tetikasa i Vatovavy sy Fitovinany

28/09/2023 08:46 © Moov.Mg

Mihoatra ny 200 isa ny famatsiana fanafody sy fitaovana momba ny fahasalamana ara-pananahana vita, tany amin’ireo toerana saro-dalana any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy, hatramin’ny volana janoary no ho mankaty. Nitarina ireo toerana afaka misitraka izany, ka manomboka izao dia voakasiky ny tetikasa ihany koa ny Faritra Vatovavy sy Fitovinany.

60% ny tanjona

Nanodidina ny 5% ny taham-pampiasana ny fomba fandrindram-piterahana maoderina tany amin’ny taona 1992 tany ho any. Tafakatra 43% izany, tany amin’ny taona 2021 ary amin’izao fotoana izao dia efa manodidina ny 53%, araka ny antontan’isan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nametraka tanjona ny hanatratra ny tanjona 60% i Madagasikara hatramin’ny taona 2030, raha niditra ho isan’ny mpandray anjara amin’ilay fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fandrindrana fiainam-pianakaviana, FP2030. Efa tsy lavitra intsony ny fanatrarana io tanjona io, raha ny nambaran’i Josiane Yaguibou, solontena maharitry ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny mponina (UNFPA) eto amintsika, nandritra ny tombana natao tamin’ny volana aogositra lasa teo.

Ho an’ny tobim-pahasalamana lavitra andriana

Isan’ny nanampy tamin’ny fanomezana fahafaham-po ireo vehivavy maniry ny hampiasa fomba fandrindram-piterahana ny fampiasana ny « drone », izay hitsinjarana ireo fanafody sy fitaovana momba ny fahasalamana ara-pananahana any amin’ireo tobim-pahasalamana lavitra andriana. Tobim-pahasalamana manodidina ny 40 isa, any amin’ny distrika miisa 7 any amin’ny tapany Atsimon’i Madagasikara, no efa nisitraka izany. Ankehitriny dia hisitraka ny tetikasa ihany koa ny Faritra Vatovavy sy Fitovinany. Famatsiana amin’ny alalan’ny « drone » miisa 750 isa ho an’ny tobim-pahasalamana miisa 140 no kendrena hovitaina amin’ity taona ity. Olona maherin’ny 1.400.000 isa no kendrena hahazo tombontsoa amin’izany, araka ny nambaran’ny UNFPA.

Misoroka ny fahafatesan’ny reny

Iarahan’ny UNFPA amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka manatanteraka izao tetikasa izao ary mamatsy vola izany ny governemanta japoney. Mitondra tombony betsaka ho an’ireo vehivavy monina any amin’ny tany lavitra sy saro-dalana ny fampiasana ny « drone », satria mampihena ny tahan’ny tsy fahafaham-pon’izy ireo momba ny fampiasana fomba fandrindram-piterahana, ahafahana misoroka ny fahafatesan’ny reny eo am-piterahana ary manampy ihany koa amin’ny ady amin’’ireo herisetra mifototra amin’ny miralenta.

Lire la suite

Articles Similaires