• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Gg_Vakinankaratra
Image
Vaovao

Asan-dahalo : Mpivady mpiray tsikombakomba no tratehaka

27/09/2023 17:33 © Moov.Mg

Mpivady mpiray tendro amin’ny dahalo no tratehaky ny zandary tarihin’ny komandin’ny Tombim-paritra Mandoto tamin’ity herinandro ity, araka ny fampitam-baovao izay nataon’ny Groupement Gendarmerie Vakinankaratra.

Fanarahan-dia

Raha hiverenena ny zava-nisy dia nitrangana halatr’omby tao Beakanga Kaominina Vasiana Distrika Mandoto ny 25 hifoha 26 septambra teo. Omby efatra no lasan’ny dahalo tamin’izany, ary teo ihany koa ny fandrobana ny fananan’ny olona tao amin’io fokontany io. Taorian’ny tranga dia nanomboka ny tagnamaro’ny fandriam-pahalemana. Niara-nisalahy tamin’ny fanarahan-dia ireo olon-dratsy ny fokonolona nandritra izany.

Entana tratra tao amina tranona mpivady

Avotra soa aman-tsara ireo omby efatra taorian’ny fiaraha-mientan’ny fokonolona. Nitohy tamin’ny fanarahana vodidia na dian-tongotr’ireo dahalo kosa ny vatan-dehilahy ary nitondra azy ireo tao amina tranona mpivady iray izany.
Raikitra ny fisavana, ary hita tao an-tranon’ireto mivady ireo entana sy kojakoja norobain’ny dahalo, toa ny lecteur DVD, ny fitaovan-dakozia ary ny kapa kiranyl roa. Avy hatrany dia nosamborina izy mivady ireto ary nentin’ny zandary namonjy ny birao. Ankoatra ny fanadihadiana izay atao azy ireo, dia natao ihany koa izany mba hisorohana amin’ny fitsaram-bahoaka.

Lire la suite

Articles Similaires