• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ti-Im
Image
Vaovao

Fiatrehana ny fifidianana : Manohana ny « HayFidy » ny masoivoho Soisa

27/09/2023 16:51 © Moov.Mg

Namaly ny antson’ny fikambanana Transparency International – Initiative Madagascar (TI-MG), amin’ny fanohanana azy hanonta ny « HayFidy » ny masoivohon’i Soisa eto amintsika. Ity fitaovana ity moa dia novolavolaina manokana mba hanampy ny olom-pirenena malagasy hanao safidy voazava sy voasaina tsara.

Safidy nohalalinina

Hisokatra amin’ny 10 oktobra izao ny fampielezan-kevitra ho an’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena eto Madagasikara. Fomba fanao mahazatra, ary tsy voarara rahateo eto amintsika, ny fizaràna vola, na fizarana fitaovana isan-karazany, mba hambaboana ny fon’ireo mpifidy. Fotoana anefa izao hialana amin’izany karazana fividianana ny safidim-bahoaka izany. Izany indrindra no antony namolavolan’ny TI-MG ity fitaovana antsoina hoe : « Hayfidy » ity. Ny tanjona dia mba ho ny hevitra voizin’ireo kandida sy ny fandalinan’ireo olom-pirenena ny momba ireo kandida no entiny misafidy izay heveriny ho mendrika hitondra ny firenena, fa tsy ho mora rebirebena amin’ny vola na zavatra zaraina.

Kandida manana programa matotra

Miseho amin’ny endrika tabilao ahitana ireo masontsivana tsara dinihin’ny olom-pirenena ny « Hayfidy ». Hanampy ny mpifidy hanao tombana ny kandida hofidiany izany, ka irarian’ny TI-MG ny hifantohana amin’ny kandida manana programa matotra sy manao ny ady amin’ny kolikoly ho vaindohan-draharaha ary mandala ny fahitsiana sy ny tamberinandraikitra. Tafiditra ao anatin’ny andraikitra noraisin’ny fikambanana, momba ny fanabeazana olom-pirenena, ny famolavolana ity fitaovana ity, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Ny tohana omen’ny masoivoho Soisa dia ahafahana manaparitaka ity fitaovana « HayFidy » ity miisa 150.000. Azo atao ihany koa ny maka ity fitaovana ity ao anaty tranonkala, ho an’ireo izay mampiasa aterineto.

Lire la suite

Articles Similaires