• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Micc
Image
Vaovao

Ambatondrazaka : Mpivarotra mpampiasa kapoaka tapaka no tratra

27/09/2023 16:51 © Moov.Mg

Tafiditra ao anatin’ny anjara andraikitra sahanin’ny ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana ny fanaraha-maso akaiky ireo fitaovam-pandanjana sy fandrefesana isan-karazany ampiasain’ireo mpivarotra. Misy tokoa mantsy ireo mampiasa fitaovana tsy marina sy tsy ara-dàlana koa miteraka fahavoazana ho an’ireo mpanjifa.

Manatanteraka fidinana ifotony eny anivon’ireo tsena sy toera-mpivarotana ny ekipan’ny ministera ao anatin’ny fanatanterahana izany anjara andraikitra izany. Anisan’ireo nandalovan’izy ireo ny tsenan’Ambatondrazaka.

Kapoaka tapaka 21 isa no tratra

Nanatanteraka bemidina teny amin’ny tsenan’Ambatondrazaka ny ekipa mpanara-maso ny varotra ao amin’ny fitaleavam-paritry ny ministeran’ny Varotra (DRICC) Alaotra Mangoro tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Nisy ny fisavana izay natao ka ireo mpivarotra no niantefan’izany. « Natao izao sava hao izao taorian'ny fitarainana avy amin'ny mpanjifa momba ny tsy fahampian'ny fatran'ny vary vidian'izy ireo. ».
Taorian’ny fisavana izay natao dia kapoaka tapaka miisa 21 no tratra teny amin’ireo mpivarotra ireo. Ireo fitaovana tsy manaraka fenitra ireo, araka izany, no hamaran’izy ireo ny entana amidy amin’ireo mpanjifa ka nitarika hatramin’ny fitarainan’ireto farany, ary nahatonga izao bemidina izao.

Ho fiarovana ny zon’ny mpanjifa

Avy hatrany dia nomena fampitandremana ireo mpivarotra tratra tsy nanara-dalàna tao amin’ny tsenan’Ambatondrazaka nandritra ity fidinana izay nataon’ny DRICC Alaotra Mangoro ity. Vaindohan-draharahan’ny Foibem-pitondrana misahana ny fiarovana ny mpanjifa na ny DPC eo anivon’ny MICC tokoa mantsy ny fampisitrahana tanteraka ny mpanjifa ireo zony. Zo fototra hananan’ny mpanjifa anefa ny fisitrahana entana amin’ny lanjany sy ny refiny marina.
Izany indrindra no antom-pisian’ny fanaraha-maso sy ny fidinana ifotony izay tanterahan’ny MICC. Jeren’ireo ekipa mpanara-maso amin’izany ireo fitaovam-pandanjana sy fandrefesana ary tafiditra ao anatin’izany ny kapoaka. Distrika sy Kaominina manerana ny Nosy, araka izany, no hanatanterahan’ny MICC ny fidinana ifotony toa izao. Tanjona amin’izany ny hanaraha-maso akaiky ireo fitaovana fandanjana sy fandrefesana ampiasan’ny mpivarotra mba hanaraka ny fenitra efa napetraky ny ministera, ho tombotsoan’ny mpanjifa.

Lire la suite

Articles Similaires