• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Tetezan’i Mangapaka – RN4 : Vita alohan’ny fahavaratra

27/09/2023 16:48 © Moov.Mg

Anisan’ireo asa tanterahan’ny eo anivon’ny ministeran’ny Asa Vaventy ankehitriny ny fanavaozana ny tetezan’i Mangapaka.

Asa fanavaozana

Mitohy hatrany tokoa ny asa fanamboarana sy fanavaozana ireo fotodrafitrasa isan-karazany mahakasika ny làlana ho an’ny ministeran’ny Asa Vaventy. Ireo ampahan-dàlana sy fotodrafitrasa simba ka mila fanarenana no iantefan’izany. Anisan’izany ny tetezan’i Mangapaika izay mampitohy an’Antanambao sy Andranolava. Eo amin’ny teboka halaviran-dàlana PK 505 + 400 amin’iny RNP4 iny no misy azy io raha ny marimarina kokoa. « Poutre transversal telo izay hita eo amin’ny fidirana sy fivoahana amin’ny tetezana no efa voasolo ankehitriny » hoy hatrany ny ministera. Ho vita mialohan’ny fahavaratra kosa ny asa fanavaozana rehetra.
Efa tena antitra ity tetezana ity, araka ny nambaran’ny ministera, koa izany no antony tsy maintsy nandraisana fepetra ny hanavaozana sy hanamboarana azy faran’izay aingana. Miroso araka ny tokony ho izy ny asa hatreto.

Fandaminana mahakasika ny fifamoivoizana

Mandritra ireo asa fanavaozana rehetra izay tanterahana dia mampahafantatra ny ministera fa tsy maintsy hisy ny fanelingelenana. Efa misy ihany kosa anefa ny fandrindra sy lamina mahakasika ny fifamoivoizana mandritra ny faharetan’ny asa. Noho izany dia tsara ny mampahafantatra fa mihato ny ffiamoivoizana isaky ny alakamisy, ny zoma, ny sabotsy ary ny alahadry, amin’ny iray ora tolakandro ka hatramin’ny eniona ora hariva. Ny talata sy ny alarobia kosa dia misokatra tontolo ny andro ny làlana.
Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny tetikasa CERC izao asa fanavaozana ny tetezan’i Mangapaika izao. Ny orinasa Zhongmei kosa no manatanteraka ny asa, izay ny ny ministeran’ny Asa Vaventy sy ny Fitaleavam-paritry ny asa vaventy Boeny no miahy azy. Anisan’ireo asa fanamboaran-dàlana vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola ihany koa izy ity, izay tsindrina fa tokony ho vita mialohan’ny fahavaratra, araka ny vina. Hiantoka ny fifamezivezenan’ny olona sy ny fitanterana ny entana izao tetikasa fanavaozana ny tetezan’ny Mangapaika izao.

Lire la suite

Articles Similaires