• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bngrc
Image
Vaovao

Fanarenana ara-tsakafo : nisitraka fanampiana ny distrikan'Ampanihy

27/09/2023 16:47 © Moov.Mg

Fianakaviana 1 000 isa ao amin’ny distrikan'Ampanihy no nisitraka ny fanampiana fanarenana ara-tsakafo avy amin'ny fitondram-panjakana, amin'ny alalan'ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC). Izany tohana izany dia ho fiarenana taorian’ny rivo-doza Freddy namely tany an-toerana, narahin’ny hafanana be, izay ny vokatra ara-pambolena.naharatsy

Fianakaviana marefo 250 isa

Raha atotaly dia olona manodidina ny 6 000 isa no nahazo tombontsoa tamin’izao fanampiana izao, izay tafiditra ao anatin’ilay « caravane humanitaire » andiany faha 4, tohanan’ny fanjakana saodianina. Efa nahazo ny anjarany ireo mponina ao amin’ny kaominina Ejeda sy Beahitse ary izao misitraka ny tohana izao ihany koa ny kaominina Ankilizato sy Ampanihy. Nitovy tanteraka ny fanampiana noraisin’ireo mponina tamin’ireo kaominina 4 ireo, araka ny tatitry ny BNGRC.

Fianakaviana tena marefo 250 isa avy no nofantenana hisitraka izany. Vary 25 kg sy voamaina 10 kg ary menaka 2 litatra avy no natolotra azy ireo, izay samy nozaraina am-pahibemaso. Niara-nizara izany tamin'ny ben'ny tanànan'ireo kaominina ireo avy ny BNGRC, notarihin'ny Medecin-colonel RAZAFINDRAKOTO Tantely.

Manarina sy mametraka

Na dia efa tamin’ny taon-dasa aza no nandalovan’ny rivo-doza Freddy, izay namely tany amin’iny distrikan’Ampanihy iny, dia mbola ilaina ny tohana toy izao. « Mitsinjo lavitra ny BNGRC, izay sady manarina no mametraka, fa tsy tokony havela ho kere ny vahoaka, satria mila olona afaka miatrika ny asa aman'andraikiny amin'ny andavanandrony i Madagasikara, hoy ny fanazavan’ny colonel RAZAFINDRAKOTO Tantely. Mihamafy rahateo ny hafanana mamely any amin’iny tapany Atsimon’ny Nosy iny, ka mety hisy fiantraikany amin’ny fambolena sy fiompian’ny mponina izany. Kaominina 12, ao anatin’ny distrika telo tena sahirana moa, no voakasik’izao fanarenana ara-tsakafo izao any Atsimo, dia i Toliara II, Betioky ary Ampanihy.

Lire la suite

Articles Similaires