• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Kolotv
Image
Vaovao

FFKM : Tsy miandany amin’iza na iza, fa momba ny fahamarinana

27/09/2023 14:59 © Moov.Mg

Taorian’ny fihaonan’ireo mpitondra fiangonana 4 mirahalahy mivondrona ao anatin’ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) tamin’ireo kandida 12, dia nitafa tamin’ny mpanao gazety sy nanao fanambarana izy ireo. Niompana indrindra tamin’ny antso ho amin’ny fitandroana ny fihavanana sy ny fahamarinana, amin’izao vanim-potoanan’ny fifidianana izao izany tafa izany.

Fitoniana sy fiadanana

Mitohy ny fampihaonana ireo kandida ho filoham-pirenena, araka ny fanambarana nataon’ny FFKM androany, teny Ampandrana. Ny hampanjakana ny fitoniana sy ny fiadanana, ao anatin’izao vanim-potoana mampafana ny raharaham-pirenena eto Madagasikara izao, no tanjon’izany. « Tsy misy anefa ny fiadanana raha tsy misy ny fahamarinana, ary ny fahamarinana dia hiatrehana ny fifidianana ho avy », hoy ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi, filohan’ny FFKM, izay nitondra ny feon’ireo mpitondra fiangonana efatra mirahalahy. Notsipihiny fa ny fikatsahana ny fihavanana sy ny fahamarinana, mba hisian’ny fifidianana madio, mangarahara ary eken’ny rehetra, no anjara andraikitry ny FFKM. Nanamafy ihany koa ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi, fa tsy nisy resaka fifanarahana ara-pôlitika mihitsy ny dinika niarahana tamin’ireo kandida 12, omaly.

Fitrotroana am-bavaka ny firenena

Tetsy an-daniny dia niantso ny Malagasy tsy an-kanavaka mba hitrotro am-bavaka ny firenena ny FFKM. Entanina ny isan-tokantrano mba hitondra am-bavaka ny asa sarotra sy makadirin’ireo filoham-piangonana 4 mirahalahy, hoy ny filohany. Isaky ny amin’ny 8 ora alina no fotoana hanaovana vavaka fifonana sy fangataham-pitahiana ary hitondrana am-bavaka ny fampihaonana ireo kandida. Niaraka tamin’izay dia niangavy ny hanatsaharana ny fifampiantsiana amin’ny endriny rehetra ny FFKM, ka ny tombontsoan’ny firenena sy ny mponina no hatao laharam-pahamehana. Ankoatra izay, fotoana ny androany, namalian’ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi ny fanontaniana, raha momba ny mpitondra na momba ny mpanohitra ny FFKM. Ny fanontaniana tokony hipetraka, hoy izy, dia ny hoe : momba ny fahamarinana sa momba ny hadisoana ny FFKM.

Taorian’ity fihaonana tamin’ny mpanao gazety ity moa dia nihaona tamin’ireo iraky ny Firenena Mikambana indray ireo filohan’ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara.


Copyright Image : © FFKM

Lire la suite

Articles Similaires