• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Nouvelle République
Image
Vaovao

Fifohana sigara : olona 1 isaky ny 4 segaondra no mamoy ny ainy, eran-tany

27/09/2023 11:26 © Moov.Mg

Miova tsikelikely ary lasa manintona ny ankizy sy ny tanora kokoa ny endrika vaovao isehoan’ny « nicotine », izay singa fahita ao anatin’ny sigara. Ny firoboroboan’ny fampiasana sigara elektrônika no mahatonga izany, izay manintona kokoa noho ny hanitra entiny. Ho fisorohana ny voka-dratsy aterak’izany dia namoaka toromarika ho fiarovana ireo mpianatra, amin’ny voka-dratsin’ny sigara, ny sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS), omaly.

Mitombo isa ny tanora mpifoka

Araka ny fandinihan’ny OMS dia mihamikendry foana ireo tanora ny indostria mpamokatra sigara. Porofon’izany ny fitombon’ny isan’ireo tanora mifoka sigara, na mifoka sigara elektrônika. Fantatra ihany koa fa nifoka sigara talohan’ny faha-18 taonany ny 9 amin’ny 10 amin’ireo mpifoka sigara maneran-tany. Eran-tany anefa dia maherin’ny 8 tapitrisa isan-taona no isan’ny olona maty vokatry ny sigara, izany hoe : olona iray isaky ny 4 segaondra. Ny 7 tapitrisa amin’ireo fahafatesana ireo dia vokatry ny fifohana mivantana ary ny 1,3 tapitrisa kosa dia vokatry ny fitrohanan’ny manodidina ny setroka sigaran’ny mpifoka (tabagisme passif).

Toromarika ho fiarovana ny mpianatra

Ho an’i Madagasikara, araka ny antontan’isa tamin’ny taona 2017, dia olona 8 300 no namoy ny ainy vokatry ny sigara. Araka ny fanadihadiana MICS 2018, dia ny 38,7%-n’ny lehilahy malagasy sy ny 14,8%-n’ny vehivavy malagasy eo anelanelan’ny 15 hatramin’ny 49 taona no mifoka sigara, na mihinam-paraky. Ny antontan’isa avy amin’ny rafitra mpanara-maso ny fidorohan’ny tanora (GYTS 2018) kosa no nilaza fa 8,9%-n’ny ankizy mpianatra no mpifoka sigara eto amintsika. Maneran-tany moa, araka ny antontan’isan’ny OMS, dia 51.000 isan-taona no isan’ny ankizy mamoy ny ainy noho ny fitrohana ny setroka sigaran’ireo mpifoka. Noho ireo antontan’isa mavesatra ireo indrindra, ary mifanandrify amin’ny fiandohan’ny taom-pianarana 2023-2024, no antony namoahan’ny OMS ity toromarika ho fiarovana ny mpianatra amin’ny voka-dratsin’ny sigara ity.

Tontolo lavitry ny sigara

Fomba 4 no atoron’ny OMS amin’izany, mba hiainan’ny ankizy sy ny tanora ao anaty tontolo lavitry ny sigara sy ny « nicotine ». Isan’izany ny fandrarana ny fidiran’ny sigara sy ny vokatra misy « nicotine » ao anatin’ny faritry ny sekoly ; ny fandrarana ny famarotana sigara sy vokatra misy « nicotine » eny akaikin’ny sekoly ; ny fandrarana ny fanaovana dokam-barotr momba ny sigara eny akaikin’ny sekoly ; ary ny fandavana ny fiaraha-miasa sy ny fiahian’ireo orinasa mpamokatra sigara. Voaresaka ao anatin’ity torolalana ity, ankoatra izay, ny fomba hanampiana ny ankizy hiala amin’ny sigara sy ny fanabeazana ny mpianatra mba hisorohana ny fidorohana. Voakasik’ity toromariky ny OMS ity avokoa moa, na ny mpianatra, na ny mpampianatra, na ny ray aman-drenin’ny mpianatra.

Lire la suite

Articles Similaires