• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Vhf
Image
Vaovao

Raharaha famonoana an’i Tsoa VHF : Hiakatra fitsarana rahampitso ny raharaha

27/09/2023 08:50 © Midi Madagasikara

Rahampitso no hiakatra fitsarana eny Anosy ny raharaha namonoana an’i Ntsoa tao amin’ny tarika VHF raha tsy misy ny fiovana.

Anisan’ny teo-draharaha be mpanaraka izy ity, satria dia tahaka ireny amin’ny horonantsary mihitsy. Olona dimy no nahiditra am-ponja vonjimaika ka ny 4 eny Antanimora, ahitana ny vehivavy iray antsoina hoe Valeria sy ny vadiny, ny mpiambina ny ny garazy miisa roa ary mpamily iray kosa eny Tsiafahy.

Tsiahivina fa ny talata 8 novambra 2022 no nisehoan’ity raharaha famonoana ity. Hita teny amin’ny tetezana Ambohimanarivo tao anaty fiara ny razana. Nihazakazaka ny toe-draharaha ka niafara tamin’ny fisamborana ireo olona dimy ireo. Andrasana ny fitsarana.

Lire la suite

Articles Similaires