• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Ampangabe : Jiolahy efatra nanapoaka basy, ravan’ny zandary

26/09/2023 16:44 © Moov.Mg

Nisehoana trangana tsy fandriampahalemana tao amin’ny Falihavana, kaominina Ampangabe ny sasakalin’ny talata 26 septambra. Jiolahy efatra nirongo fitaovam-piadiana (basy) no saika hanafika tanàna iray.

Nanapoaka basy

Andian-jiolahy nirongo basy no nanam-pikasana ny hanafika tanàna iray atao hoe Falihavana, ao amin’ny kaominina Ampangabe. Ny alatsinainy alina hifoha anio talata no nisehon’izany trangana tsy fandriampahalemana izany, araka ny vaovao nampitain’ny « Compagnie de Gendarmerie » Ambohidratrimo.
Fantatra ary fa niisa efatra ireo jiolahy, ary efa mby an-tongotra hanao ny asa ratsiny tao amin’ity tanàna ity izy ireo no izao nifanenjehan’ny zandary izao. Efa nandrefotra basy mba hampitahorana ny mpiray tanàna tokoa mantsy ireo olon-dratsy ireo no tonga ny zandary.

Iray no namoy ny ainy, telo hafa tafaporitsaka

Na teo aza ny fandrahonana nataon’ireto jiolahy ireto tamin’ny alàlan’ny fanapoahana basy dia tsy nisalasala niantso ny zandary avy hatrany ireo olona tao an-tanàna. « Minitra vitsy ihany dia nirohotra ny zandarin’ny PA Ampangabe ary avy hatrany dia nifanehitra tamin’ireo jiolahy », hoy ny CGN Ambohidratrimo mitondra fanazavana.
Tsy nahatohitra ny zandary anefa ireo jiolahy nandritra ny fifandonana ka nirifatra nitsoaka. Mbola nanenjika ireo olon-dratsy ny mpitandro ny filaminana. Voatifitra tamin’izany ny iray tamin’ireo jiolahy efatra, ka namoy ny ainy. Tafaporitsaka kosa ny telo ambiny ary nisy tamin’izy ireo no naratra. Hita teny amin’ilay jiolahy lavon’ny balan’ny zandary ny barre à pince sy finday iray.
Mitohy hatrany ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana izay tanterahan’ny zandary, ny polisy ary ny tafika. Anisan’ny hahazoana vokatra tsara ihany koa ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpitandro ny filaminana sy ny olo-tsotra manam-baovao.

Lire la suite

Articles Similaires