• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Produir
Image
Vaovao

Fanadiovana ny lakan-drano C3 : natomboka ny fanamboarana ny tranon’ireo mponina hafindra toerana

26/09/2023 16:39 © Moov.Mg

Miompana indrindra amin’ny fiarovana an’Antananarivo amin’ny tondra-drano ny tetikasa PRODUIR (Projet de Développement Urbain Intégré et de Résilience du Grand Antananarivo). Tafiditra ao anatin’izany ny fanadiovana ny lakan-drano C3, izay tsentsin’ny fotaka sy ny fako. Mba hanatanterahana izany dia tsy maintsy hafindra toerana ireo olona monina manamorona io lakan-drano io. Androany no natomboka ny asa fanamboarana ireo toeram-ponenana vaovao hametrahana azy ireo.

Trano tsizarizary

Hosoloina trano vaovao sy mafy ireo trano tsizarizary sy tsy manara-dalàna nonenan’ireo mponina manaraka ny lakan-drano C3 eny amin’ny fokontany Anosibe Ouest I. Eny Andavamamba Anatihazo II no hananganana izany, ka ny honahona no nototofana. Misy karazany 3 ireo trano haorina, ho an’ny fianakaviana 84. Heverina ho vita amin’ny volana martsa na aprily 2024 ny fanorenana azy ireo. Tsy maintsy atao izao fanesorana ny sasany amin’ireo mponina izao, mba ahafahana manatanteraka ny fanadiovana, hoy ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny Fananan-tany, Ramaholimasy Pierre Holder, izay tonga nametraka ny vatofototry ny asa.

Hokaohina ny fotaka

Misy amin’ireo mponina no manaiky ny hafindra amin’ny trano vaovao, fa misy kosa ireo nisafidy ny handray vola, ho sandan’ny fanesorana azy amin’ny toeram-ponenany. Araka ny fanazavan’ny Minisitra dia efa saika tratran’ny tondra-drano mahatsiravina Antananarivo tamin’ny taona 2022. Tsy maintsy irosoana, noho izany, ny fanadiovana ny lakandrano C3, izay miainga any Anosibe mipaka hatrany Ambodimita. Hokaohina ny fotaka sy ny fako manentsina azy ary any Iarinarivo Ambohidratrimo no handefasana izany, araka ny fifanarahana efa natao teo amin’ny mponina sy ny tetikasa PRODUIR. Ny Banky iraisam-pirenena moa no mamatsy vola ity tetikasa ity, ka mitentina 125 tapitrisa dolara izany famatsiam-bola izany.

Fotodrafitrasa maherin’ny 400

Mizara roa goavana ny tetikasa, ny voalohany dia momba ny fanatanterahana ireo asa ilaina an-tanàn-dehibe, toy ny lalan-kely, tetezana, tohatohabato… Fotodrafitrasa miisa 444 no voakasik’izany, hoy Ramaholimasy Pierre Holder, ka ny 206 amin’ireo no efa vita. Tafiditra ao anatin’ilay sokajy faharoa kosa, izay miompana amin’ny Fiarovana an’Antananarivo sy ny manodidina amin’ny tondra-drano, ny fanadiovana ny lakandrano C3. Isan’ny mpiara-miombon’antoka amin’izao tetikasa izao ny kaominin’Antananarivo Renivohitra sy ny sampan-draharaha mpanatanteraka ny asa ho an’ny soa iombonana (AGETIPA).

Lire la suite

Articles Similaires