• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Betsimisaraka
Image
Vaovao

Làlana : Mandroso ny asa fanarenana ny RN11A

26/09/2023 16:32 © Moov.Mg

Mitohy hatrany ireo asa fanamboaran-dàlana tontosain’ny eo anivon’ny ministeran’ny Asa Vaventy. Mandroso ihany koa ny asa fanarenana ny làlam-pirenena faha-11A na ny RN11A. Tsiahivina fa mampitohy an’i Vatomandry sy Mahanoro izy ity.

Fanamboarana làlana mirefy 85 km

85 km, io no halaviran’ny làlana izay amboarina amin’iny làlam-pirenena faha-11 A iny ankehitriny. Raha ny marimarina kokoa dia manomboka eo Vatomandry eo amin’ny teboka halaviran-dàlana PK 53+000 ny asa fanamboarana ary mifarana eo amin’ny PK 138+000 ao Mahanoro.
Ny orinasa MAGIC no manatanteraka ny asa fanamboarana, ary ny tapatapaky ny volana septambra teo no nanombohan’izany. Fantatra ihany koa fa teo anelanelan’ny Kaominina Ilaka Est PK85 sy ny Kaominina Tsarasambo (PK70) no nanatanterahana ny asa fanarenana raha ny andron’ny omaly alatsinainy no resahana. Vinavinaina ho vita afaka dimy volana, izany hoe any ho any amin’ny volana febroary 2023 any, ny asa rehetra amin’io halaviran-dàlana 85 km io.

Asa manaraka ny fenitra

Tafiditra ao anatin’ireo laharam-pahamehana ho an’ny ministera ny fanarenana indray io làlam-pirenena io. Nahitana fahasimbana maro tokoa manko ity ampahan-dàlana ity ka tsy maintsy nirosoana ny asa fanamboarana azy. Eo Antsampanana no manomboka ny RN11A, eo Vatomandry kosa no natomboka ny asa satria eo no tena ratsy ny làlana ka izao nasiana fanarenana aingana izao.
Manamafy ny ministera fa « manaraka ny fenitra ny asa fanarenana izay atao ». Misy araka izany ny fanaraha-maso manokana ny hatevin’ny tara izay apetaka sy ny kalitaon’izany. Ao anatin’izany asa fanarenana izany hatrany dia mampahafantatra ny ministera fa hitarina ho 6 metatra ihany koa ny sakan’ity làlam-pirenena faha-11A ity.
Araka ny nambaran’ny ministeran’ny Asa vaventy hatrany dia mbola hisy asa fanarenana hafa hatao amin’ny ampahan-dàlana hafa amin’iny làlam-pirenena iny amin’ny fotoana hafa. Fa ao anatin’izay dimy volana izay aloha dia io mampitohy an’i Vatomandry sy Mahanoro io no hovitaina.

Lire la suite

Articles Similaires