• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rfi.Jpg
Image
Vaovao

Sendikan’ny mpiasa malagasy : te handray anjara amin’ny fikaroham-bahaolana momba ny fifidianana

26/09/2023 15:35 © Moov.Mg

Vonona ny handray anjara amin’ireo dinika izay hikaroham-bahaolana amin’izao tranga mamaivay eto amin’ny firenena, mialohan’ny fifidianana izao, ny vondron’ny sendikan’ny mpiasa malagasy. Nanao fanambarana, nitaky ny hampidirana azy ireo ao anatin’ireo fihaonana fiaraha-midinika izy ireo, androany.

Manana hevitra

Herivelona lehibe tsy azo tsinontsinoavina ny mpiasa malagasy, hoy Ralibera Jerisoa, Filoha Nasionalin'ny Sendikan'ny Mpitsabo Mpanampy sy Mpampivelona, izay nitondra ny tenin’ny fivondronan’ny sendikan’ny mpiasa malagasy. Noho izany indrindra dia takian’izy ireo ny hampidirana ny mpiasa malagasy ao anatin’ny dinika fikaroham-bahaolana amin’ny zava-mitranga eto amin’ny firenena. Manana ny maha-izy azy ary manana ny heviny ny mpiasa malagasy, hoy hatrany ny fanambarana, noho izany dia afaka mandroso hevitra amin’izao toe-java-mitranga mampisavorovoro ny firenena izao.

Manome herinandro

Mahatsiro tena ho atao an-jorom-bala ny mpiasa malagasy. Tsy tokony ho voatery hiharitra sy hanatanteraka ny tsy ara-dalàna sy ny tsy ara-drariny, izay ifanarahan’ny mpanao politika anefa izy ireo, hoy ny fanambarana. Ny tsy fampandraisana anjara azy ireo dia midika ho fanaovana tsinontsinona ny ho avin’ny mpiasa malagasy sy ny ain’ny vahoaka malagasy amin’ny ankapobeny, raha ny hevitr’izy ireo. Noho izany dia manome herinandro an’ireo mpanao pôlitika sy ireo mpiantsehatra rehetra voakasika ny vondron’ny sendikan’ny mpiasa malagasy, mba hirosoana amin’ny fifampidinihana. Takiana, hoy ny fanambarana, ny hirosoana amin’ny fifampidinihana alohan’ny hirosoana amin’ny fifidianana. Raha tsy izany dia milaza izy ireo fa tsy tomponandraikitra amin’izay zavatra mety hitranga eo amin’ny tontolon’ny asa.

Lire la suite

Articles Similaires