• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mercy Ships Africa
Image
Vaovao

Sambo-hôpitaly « Africa Mercy » : Hiverina eto Madagasikara amin’ny volana febroary 2024

26/09/2023 14:14 © Moov.Mg

Hiverina eto Madagasikara indray ilay sambo-hôpitaly Africa Mercy amin’ny volana febroary 2024, raha ny fampahafantarana navoakan’ny tranonkalan’ny fikambanana tsy miankina Mercy Ships. Any amin’ny seranan-tsambin’i Toamasina no hiantsona ity sambo toeram-pitsaboana ity.

Fandidiana maimaim-poana miisa 1 150

Nanatanteraka fivoriana nentina nandamina ny fandaharam-potoanan’ny sambo-hôpitaly, Africa Mercy, ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka malagasy sy ireo tomponandraikitry ny Mercy Ships. Tamin’izany no nanapahana fa amin’ny fiandohan’ny volana febroary 2024 no ho avy eto Madagasikara indray ireo mpitsabon’ity fikambanana ity, hanatanteraka fizaham-pahasalamana sy fandidiana. Fandidiana maimaim-poana miisa 1 150 no heverina hotanterahina amin’izany. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamboarana ireo sima, ny fandidiana katarakta, ny fandidiana tongotra, ny fitsaboana nify… Hisy ihany koa ny fampiofanana homena ireo mpiasan’ny fahasalamana.

Fifantenana amin’ny volana novambra

Amin’ny volana novambra izao no hotontosaina ny fifantenana ireo olona ho afaka hisitraka ny fitsaboana maimaim-poana hatolotry ny Mercy Ships. Hisy ekipa hanatanteraka ny fizaham-pahasalamana sy hanadihady momba ny filàn’ireo marary ary hanome ny daty hanatanterahana ny fandidiana ireo olona voafantina. Amin’ny volana febroary no hanomboka ny fandidiana, izay harahana fanaraha-maso sy tohana ara-tsaina, mba hanamorana ny fiverenan’ireo marary efa voaray an-tanana, eo anivon’ny fiarahamonina misy azy indray. Ankoatra izay dia hiantohan’ny ONG Mercy Ships ihany koa ny saran-dalan’ireo marary avy lavitra, mba hahafahan’izy ireo misitraka ny fandidiana maimaim-poana.

Sambo lehibe roa

Faninefany moa izao, raha tsiahivina, no iantsonan’ny sambo-hôpitalin’ny Mercy Ships ao Toamasina, nanomboka tamin’ny taona 1996. Tanjona ny hisitrahan’ny Malagasy rehetra tsy an-kanavaka ny zo hahazo fitsaboana araka ny filàn’ny tsirairay. Manana sambo lehibe roa ity fikambanana tsy miankina ity, izay ampiasaina hitsaboana ireo olona tena marefo, dia ny « Africa Mercy » sy ny « Global Mercy » izany. Mpirotsaka an-tsitrapo miisa 3 000 isan-taona, avy amina firenena miisa 60, no miasa ho an’ny fikambanana Mercy Ships, izay ahitana dokotera, dokotera mpandidy, mpitsabo nify, mpitsabo mpanampy, mpanao lakozia, hatramin’ny injeniera sy teknisianina momba ny fambolena. Firenena 55 isa no efa niasan’ireo sambo ireo, nanomboka ny taona 1978 niforonan’ny fikambanana.

Lire la suite

Articles Similaires