• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Saropody : Lehilahy 60 taona saika hamaky trano

26/09/2023 11:11 © Midi Madagasikara

Noraisim-potsiny teo an-tokontanin’olona ilay mpangalatra. Lehilahy lehibe iray 60 taona no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoan’ny Filambinam-bahoaka etsy Ambohijatovo Ambony teny Saropody omaly alatsinainy tamin’ny 5 ora maraina noho ny resaka fikasana hamaky tranon’olona.

Fampitam-baovao avy amin’ny olona mpiray void-rindrina no nadrenesan’ny polisy ny fisian’ity olon-dratsy ity. Nisy nahatazana izy nihanika ny tamboho fefin’ilay tanon’olona ka nahatonga ireo mpiray void-rindrina niantso ny mpitandro ny filaminana. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny polisy ka nidina teny an-toerana nijery ny zava-nisy.

Tonga ara-potoana ireto farany ka tratra teo an-tokontanin’ilay trano ity rangahy lehibe ity. Rehefa natao ny fisavana azy dia nahitana « lampe de poche » sy « pince coupante » tany aminy. Fitaovana izay manaporofo ny fikasan-dratsy tao aminy. Nentina avy hatrany teny amin’ny kaomisaria moa ity rangahy ity hanaovana fanadihadiana mihaloha ny hanolorana azy ny Fitsarana.

Lire la suite

Articles Similaires