• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Fanatsarana ny fambolena : Nahazo famatsiam-bola avy amin'ny FAO i Madagasikara

26/09/2023 09:16 © Moov.Mg

Nahazo famatsiam-bola 450 000 dolara amerikanina avy amin'ny Fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana misahana ny Sakafo sy ny Fambolena (FAO) i Madagasikara, ho entina manatsara ny vokatra ara-pambolena. Omaly no nanaovana sonia ny fifanaraham-piaraha-miasa momba izany.

Ady amin’ny firongatry ny bibikely

Mandalo fotoan-tsarotra ny tontolon'ny fambolena eto Madagasikara sy maneran-tany, manoloana ny fiovaovan'ny toetr'andro, ny firongatr'ireo bibikely mpanimba voly sy ny fisian'ireo aretina hafa mamotika ny fambolena. Miteraka voka-dratsy goavana izany, satria ankoatra ny fihenan'ny vokatra miakatra dia lasa sakana ho an'ny fandefasana ny vokatra eo amin'ny tsena ihany koa ny kalitaon'ny vokatra, izay tsy manaraka ny fenitra. Hisy, noho izany, ny tetikasa fanaraha-maso maso ireo aretina mianjady amin’ny zava-maniry sy ny tontolo anaty ala, ho fanatsarana ny tontolon'ny fambolena eto amintsika. Tontosa omaly tao Anosy ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa momba izany, teo amin’ny FAO sy ny Ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana.

Fanamafisana ny fahaiza-manao

Tanjon’izao tetikasa izao ny hametrahana rafitra fanaraha-maso mahomby ny zava-maniry sy ny ala, mba hisorohana sy hifehezana ireo aretina manambana ny vokatra ara-pambolena ary koa hialana amin’ny mety ho voka-dratsin’izany eo amin’ny sehatry ny tsena anatiny sy ivelany. Tanjona ihany koa ny hitsinjovana ny tontolo iainana, manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Mba hahatontosana izany dia ho amafisina ny fahaiza-manaon’ireo teknisianina sy ireo tantsaha mpamokatra, ho fanatsarana ny haitao, ka hahafahan’izy ireo mitsirika mialoha ireo aretina mety hiantraika amin’ny voly. Amin’izay dia ho mora amin’izy ireo ny handray fepetra hiadiana amin’ny aretina. Ankoatra izay dia ofanina izy ireo mba ho afaka mampita ireo antotam-baovao, eny anivon’ireo mpiantsehatra ara-pamokarana.

Fanatsarana ireo ivon-toeram-pikarohana

Isan’ny asa manan-danja indrindra hitanterahina ao anatin’ny tetikasa ny fanatsarana ireo ivon-toeram-pikarohana eto Madagasikara, mba afahana mampiroborobo hatrany ny seha-pamokarana. Roa taona no faharetan’ity fifanaraham-piaraha-miasa ity ary hiarahan’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana sy ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovainjafy ny fandrindrana ny asa hatao rehetra. Ireo vondron’olona tena marefo no hisitraka mivantana ny vokatra azo. Tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny fitondram-panjakana hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafon’ny malagasy izao tetikasa izao.

Lire la suite

Articles Similaires