• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Ady amin'ny fiovan'ny toetrandro : Manohana an'i Madagasikara ny fanjakana Britanika

25/09/2023 17:41 © Moov.Mg

Miteraka aretina, fihenan'ny vokatra sy fahasimban'ny tontolo iainana ny fiovan'ny toetrandro. Tsy vitsy ireo mpamboly misedra fahasahiranana eo amin'ny fanenjehana kalitao sy fatran'ny vokatra, raha maro ihany koa ireo biby sy zava-maitso miha-potika. Tsy adino ny gripa mahery izay mahakasika manokana ireo olona marefo. Tsy miady irery nefa i Madagasikara manoloana izany rehetra izany. Manamafy indray ny fiaraha-miasa sy ny fanohanana, amin'ny lafiny fiarovana ny tontolo iainana ny fanjakana Britanika.

Tolo-tanana azo antoka

Tonga nanao fitsidihana ara-pomba ofisialy ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Ramatoa VINA Marie-Orléa, ny Ambasadaoron'ny Fanjakana mitambatr'i Grande Bretagne, Andriamatoa David ASHLEY, miasa sy monina eto Madagasikara.
Nanamafy ny fitondrana Britanika tamin’ny alalan’ny Ambasadaorony fa vonona hatrany ny hifanohana amin’ny Governemanta Malagasy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fanamafisana ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro. Ka isan’izany ny fanohanan’izy ireo an’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana ny tapaka tamin’ny COP27 ny ahatonga an'i Madagasikara ho isan'ny firenena fitaratra amin'ny karbona manga sy ny fanohanany ny fandraisan’anjaran’ Madagasikara amin’ny COP28 mahakasika ny fiovan’ny toetrandro. Nivoitra nandritra ny fihaonana ihany koa ny ho fisokafan’ny famatsiam-bola Anglisy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina sy ny fanohanana ireo mponina mivelona amin’ny vokatra an-dranomasina sy amorontsiraka.

Ezaka iombonana

Tsy vitan'ny fanjakana irery ny ady amin'ny fiovan'ny toetrandro, na maro tokoa aza ireo firenen-kafa manolo-tanana. Tompon'andraikitra amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ny olom-pirenena tsirairay.
Maro ireo fihetsika tsotra azo atao mba hanadraisana anjara amin'izany :
-Fanariana fako amin'ny toerana voatokana ;
-Fanadiovana ny manodidina ;
-Fanaovana "entretient" ny fiara sy moto mba hampihena ny setroka
maloto ;
-Fampiasana herinaratra azo avy amin'ny angovo azo havaozina ;
-Fividianana ireo vokatra azo avy amin'ny akora efa avy nampiasaina (produits recyclés).

Lire la suite

Articles Similaires