• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Nitsidika ny sambom-pikarohana sy vonjy aina an-dranomasina ny ministra

25/09/2023 16:48 © Moov.Mg

Ao Libanona ao amin’ny distrikan’i Taolagnaro no misy ilay sambom-pikarohana sy vonjy aina an-dranomasina. Anisan’ny mitàna anjara toerana lehibe eo amin’ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena manga izy. Tonga nitsidika izany ny ministra Paubert Mahatante.

Manampy amin’ny ady amin’ny fanapoizinana ara-tsakafo

Ilain’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao anatin’ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena Manga amin’ny fanaovana ny asany ny fisian’ity sambo ao Libanona ity. Amin’ny alàlan’ny fitaovana toa izao tokoa mantsy no ahafahana mijery akaiky ny resaka fanapoizinana ara-tsakafo avy amin’ny fihinanana haza an-dranomasina na ny Intoxication par Consommation d’Animaux Marins.
Mbola maro tokoa ireo mponina mipetraka amoron-tsiraka no mihinanana ireo haza an-dranomasina misy poizina ka mety matetika miteraka amin’ny fahafatesan’ireo mihinana azy mihitsy. Ankoatra ny fanentanana isan-karazany atao amin’ireo mponina dia anisany manampy betsaka amin’ny ady amin’ny fanapoizinana ara-tsakafo azo avy amin’ny haza an-dranomasina ny fikarohana izay tanterahana amin’ny alàlan’ny sambo toa izao. Fantatra ihany koa fa ampiasaina amin’ireo fikarohana isan-karazany toa ny « évaluation de stock des ressources côtières » ihany koa izy ity.

Fanaraha-maso sy vonjy aina

Ankoatra ny anjara toerana raisiny amin’ny ady amin’ny resaka fanapoizinana ara-tsakafo dia manara-maso akaiky ireo sihely, valahara sy karazan-trondro samihafa ihany koa ity sambo ity. Miara-miasa akaiky amin’ireo ivon-toeram-pikarohana misy eto Madagasikara ny ministera mpiahy ao anatin’izany. Tafiditra ao anatin’izany ohatra ny Institut Halieutique et des Sciences Marines ao Toliara, ny Centre Universitaire Régional Androy ao Ambovombe Androy ary ny Institut d’Enseignement Supérieur Anosy ao Taolagnaro.
Ankoatra ireo asa fikarohana sy fanaraha-maso dia ampiasaina amin’ny resaka vonjy aina an-dranomasina ihany koa ity sambo ity. Mirotsaka an-tsehatra amin’ny fanampiana sy fanavotana ireo mpiandrika sendra tojon’ny loza ihany koa izy ity. Manana halavana 08 metatra izy io, double coque ary ahitana moteurs hors-bord 02 60 chevaux avy izy ity.

Lire la suite

Articles Similaires