• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Fiakaran’ny ranomasina : Tokatrano 79 no nahazo fanampiana tao Morondava

25/09/2023 16:42 © Moov.Mg

Trano am-polony maro no dibo-drano, ary olona an-jatony maro no traboina vokatry ny fiakaran’ny ranomasina tao amin’ny Kaominina Saint Augustin ao Morondava. Ny harivan’ny 18 septambra no nisehon’ity tranga voajanahary ity raha tsiahivina.

An-jatony maro ireo traboina

Raha hiverenana kely ny zava-nisy dia ny harivan’ny alatsinainy 18 septambra no nahitana fiakarany ben y onjan’ny ranomasina. Tafakatra hatrany amin’ny 5 metatra tokoa manko ny haavon’ny ranomasina tamin’io. Araka ny vaovao nampitain’ny teo anivon’ny BNGRC farany dia 244 no isan’ireo olona traboina, 141 ireo trano simba, 94 ny isan’ireo lakana tsy hita, ary vola mitentina 4 000 000 ariary ihany koa no lasan’ny rano. Manoloana izany dia nihetsika ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny tany an-toerana, fa ihany koa ny BNGRC, izay anisany tompon’andraikitra voalohany amin’ny fandraisana an-tànana ireo traboina rehefa misy loza voajanahary miseho toa izao.

Fanampiana ireo traboina

Toa ny fanaony dia miroso amin’ny fanisana ireo traboina sy ireo zavatra simba ny BNGRC rehefa misy ny tranga toa izao. Aorian’izay dia manatitra sy manolotra ireo fanampiana isan-karazany natokana ho an’ireo traboina ny BNGRC. Nisy araka izany ny fidinana ifotony nataon’ny teo anivon’ny BNGRC sy ireo mpiara-miombon’antoka toa ny avy eo amin’ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena manga ny faran’ny herinandro teo. Tokatrano 79 isa avy eo anivon’ny fokontany telo dia Ampasinihita, Ianantsono ary Lovokampy no nisitraka ireo fitaovana sy fanampiana.
Fanampiana isan-karazany, izay mamaly amin’ny filan’ny traboina an-davanandro no natolotra tamin’izany. Ireto avy ary ireo fanampiana : vary 39,5 kitapo, lojy 8 kitapo, menaka 79 litatra, seaux 79, kaopy 79. Tsara moa ny manamarika fa « stock de prépositionnement » tao amin’ny BNGRC Toliara ihany ireto vatsy natolotra ny traboina ireto.
Mazàna tokoa no efa manana vatsy hiatrehana ny loza ara-boajanahary toa izao ny avy eo anivon’ny BNGRC, ary izany no nozaraina tamin’ity indray mitoraka ity. Na izany aza dia misy hatrany ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka malagasy sy vahiny amin’ny ankapobeny toa ny zava-misy rehefa tonga ny fotoanan’ny rivo-doza.

Lire la suite

Articles Similaires