• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Doctissimo
Image
Vaovao

Aretina tiberkilaozy : itadiavana vaksiny vaovao ho fisorohana azy

25/09/2023 16:12 © Moov.Mg

Mamono olona 4.400 isan’andro ny aretina raboka na tiberkilaozy maneran-tany. Eto Madagasikara dia tombanana ho olona 132 amin’ny 100.000 isa no voan’ity aretina ity, raha ny antontan’isa tamin’ny taona 2018. Araka izany, mbola mila ezaka goavana ny ady atao amin’ity aretina ity. Nandray fanapahan-kevitra sy nametraka paikady vaovao hiadiana amin’ity areti-mifindra ity ireo mpitondra firenena tonga nanatrika ny fivoriana an-tampon’ny Firenena Mikambana tany New York, ny zoma lasa teo.

Faritra 10 eto Madagasikara

Mbola ahitana trangana raboka na tiberkilaozy manerana an’i Madagasikara. Faritra 10 no tena mbola ahitana azy betsaka, satria ivangongoan’ny 72% amin’ireo tranga misy, dia ny any SAVA, DIANA, Ihorombe, Menabe, Boeny, Analamanga ary Atsimo Andrefana. Maimaim-poana ny fandraisana an-tanana ny olona voan’ny raboka eto amintsika, ka amin’ny ankapobeny dia ny Tahirim-bola Maneran-tany (Fonds Mondial) no mamatsy vola ahafahana manatanteraka izany. Misitraka famatsiam-bola mitentina 125,710,028 USD avy amin’ny tahirim-bola maneran-tany ny firenena Malagasy, hampiasaina amin’ny taona 2024 ka hatramin’ny 2026, hiadiana amin’ny aretina SIDA, tiberkilaozy, ary tazomoka. Araka ny nambaran’ny CCM (Country Coordinating Mechanism), izay rafitra mandrindra ny famatsiambonan’ny tahirim-bola maneran-tany eto amintsika anefa, dia tsy ampy io famatsiam-bola io fa mila ny fanohanan’ny Fanjakana.

Fampitomboana ny famatsiam-bola

Nandritra ny fihaonana an-tampony notanterahina tany New York dia nahatsapa ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny fahasalamana (OMS) fa nihena tokoa ny famatsiam-bola ho an’ny ady ho an’ny tiberkilaozy, ho an’ireo firenena sahirana. Latsaka 50% amin’ny teti-bola ilaina ho an’ny ady amin’ny tiberkilaozy mihitsy izany, amin’ny ankapobeny. Tafiditra ao anatin’izany ny fisorohana, ny fitsaboana sy ny vola natokana hanaovana fikarohana hanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo marary. Isan’ny tanjona napetraka, araka izany, ny hampitomboana ny vola atokana ho an’izay fikarohana izay, hatramin’ny taona 2027. Amin’izao moa dia tsy misy afa-tsy vaksiny tokana no misy, entina misoroka ny raboka, dia ny BCG izany, nefa tsy mahaaro tanteraka. Antony itadiavana vaksiny hafa mahomby kokoa, izay antenaina fa hahazo fankatoavana haingana.

Vondron’olona tena marefo

Tanjona ihany koa ny hahafahan’ny 90%-n’ny olona hampiasa ny fomba fitiliana malaky nahazo ny fankatoavan’ny OMS ary hisitrahan’ny marary fitsaboana sahaza. Araka ny antontan’isa moa dia olona 10 tapitrisa isan-taona, maneran-tany, no voan’ny raboka, ka ny 1 tapitrisa amin’ireo no mamoy ny ainy. Araka ny fantatra ihany koa dia mitondra ny tsimokaretina VIH ny 1,3% amin’ny olona tratran’ny tiberkilaozy. Ireo vondron’olona tena marefo rahateo no tena voan’ny aretina, dia ireo sahirana sy ireo tsy ampy sakafo. Vao mainka nampirongatra ny tiberkilaozy ny valanaretina covid-19, ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ireo krizy hafa maneran-tany.

Lire la suite

Articles Similaires