• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Governora Anosy
Image
Vaovao

Fanamboarana ny « pipeline Efaho » : Nigadona androany ny ampahany voalohany amin’ny fitaovana

25/09/2023 16:07 © Moov.Mg

Tonga androany maraina tany amin’ny seranan-tsambon’i Taolagnaro ny sambo « Triumph », avy any Torkia, nitondra ny ampahany voalohany amin’ireo fitaovana hanamboarana ny fantsona lehibe (pipeline) miainga any amin’ny faritra Anôsy tonga hatrany Ambovombe, faritra Androy.

Fantsona mirefy 11 km

Fantsona «pipeline » 1 000 isa, mahavita fantsona mirefy 11 km eo ho eo no nentin’ity sambo avy any Torkia ity, izay hitarika ny rano avy eo amin’ny reniranon’i Efaho miainga ao Esalo, faritra Anôsy. Mbola ho avy ny sambo manaraka, araka ny nambaran’ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy Fidiovana, Fidiniavo Ravokatra, izay tonga nitsena ny fitaovana, niaraka tamin’ireo manam-pahefana any an-toerana. Tanjona ny hitarihana ny ranon’i Efaho hipaka hatrany Ambovombe, faritra Androy, mba ho entina miady amin’ny hain-tany miverimberina sy ny kere, ary hisitrahan’ny mponina rano fisotro madio.

Hamakivaky tanàna 60 isa

Raha tsiahivina dia hirefy 97 km ity fantsondrano lehibe ity, hamakivaky tanàna 60 isa, ao amin’ny distrika telo izy, dia i Taolagnaro, Amboasary atsimo ary Ambovombe. Ny 40 amin’ireo tanàna ireo dia ao amin’ny Faritra Anôsy ary ny 20 dia any amin’ny Faritra Androy. Mponina miisa 5 hetsy no heverina fa hisitraka rano fisotro madio, rehefa vita tanteraka ity tetikasa ity, ary tany fambolena mirefy 80.000ha no ho voatondraka. Tafiditra ao anatin’izany ny lemak’i Sampona sy Maroalopoty ary Maroalo­mainty. Hisy ihany koa toerana fampisotroan-drano ho an’ny biby fiompy miisa 120.

Efa vita ny dingana fanomanana

Raha tsiahivina dia tamin’ny volana aprily, tamin’ity taona 2023 ity, no natomboka tamin’ny fomba ôfisialy ny fanamboarana ny « pipeline Efaho ». Natao, taorian’izay, ireo dingana fanomanana rehetra ara-teknika, ara-tontolo iainana, ara-tsosialy sy ara-pandaminana, hoy ny fanazavan’ny minisitra Fidiniavo Ravokatra. Notsindriany fa tsy maintsy vita ny tetikasa Efaho ary tsy maintsy hipaka any Ambovombe izany.

Lire la suite

Articles Similaires