• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Openminded
Image
Vaovao

Fizahantany mamoafady eto Madagasikara : Horesahina ao anaty famelabelaran-kevitra any La Réunion

25/09/2023 11:21 © Moov.Mg

Mitombo isa ny vehivavy sy tovovavy mivaro-tena eto Madagasikara. Nampiakatra ny taham-pahantran’ny Malagasy, indrindra ireo any amin’ny tapany Atsimon’ny Nosy, ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny rivo-doza, araka ny filazan’ny fikambanana maro tsy miankina amin’ny Fanjakana, ary notsipihin’ny masoivohon’i Etazonia eto amintsika, ao anatin’ny tatitra momba ny fampiasana olona tsy ara-drariny navoakany ho an’ity taona 2023 ity.

Mahatonga ny ray aman-dreny sasany hamporisika ny zanany hiasa an-trano, na hivaro-tena izany. Mampalaza ratsy an’i Madagasikara ity tranga farany ity ary misarika ny vahiny sasany ho tonga hanararaotra ara-nofo ireo tovovavy ihany koa.

Endrika fivarotan-tena vaovao

Nitondra endrika fivarotan-tena vaovao teto Madagasikara ihany koa ny nisian’ny valanaretina covid-19, araka ny voalazan’ity tatitra ity. Sarihin’ireo mpanararaotra hiakatra eto Antananarivo ireo vehivavy sy tovovavy avy any amin’ny faritany sy avy any ambanivohitra, ary fitahina fa homena asa tsara, kanefa terena hanao fivarotan-tena amin’ny alalan’ny aterineto avy eo. Amin’ny ankapobeny, hoy hatrany ny tatitra, dia ireo ankizy monina any amin’ny toerana mahasarika mpizahatany, ireo mipetraka an-tanàn-dehibe, ireo monina amin’ny faritra mpamokatra lavanila sy mipetraka manodidina ireo toerana fitrandrahana harena an-kibon’ny tany no tena iharan’ny fanararaotana ara-nofo.

Vao 12 taona monja

Lehilahy malagasy ihany ny ankamaroan’ireo mpanararaotra ara-nofo, hoy ny tatitra. Ankoatra izay dia ireo tera-tany frantsay sy italianina ary ireo avy amin’ny firenena eoropeanina tavaratra sy ireo Kaomorianina, no tera-tany vahiny voatondro ho tena mpanao fizahan-tany mamoafady eto Madagasikara. Misy vao 12 taona monja ireo zazavavy na zazalahy iharan’izany. Ny ray aman-dreny mihitsy no mamporisika ireo tovovavy sasany mba hiaraka amin’ny vazaha, rehefa feno 15 taona eo ho eo izy ireo, mba hahazoana vola. Horesahana ao anatin’ny hetsika "Le Temps des Femmes", atao any amin’ny nosy rahavavy La Réunion, ny momba ity fivarotan-tena mamoafady mampalaza ratsy an’i Madagasikara ity.

Horonan-tsary miompana amin’ny vehivavy

Nanomboka ny 22 septambra teo ity hetsika horonan-tsary miompana amin’ny vehivavy ity ary hifarana ny 1 oktobra. Andiany faha-4 no tontosaina amin’ity taona ity, izay hanehoana karazana horonan-tsary foronina, na horonan-tsary fanadihadiana, novokarina tany amin’ny firenena maro samy hafa, fa miompana daholo amin’ny tontolon’ny vehivavy. Ny 29 ôktôbra no hanatanterahana ny famelabelaran-kevitra momba ny fizahan-tany mamoafady aty Madagasikara, iarahana amin’ny mpisolovava Rakotobe Sandratra. Filohan’ny Wolaw, fikambanana ivondronan’ireo vehivavy mpahay lalàna malagasy ity mpisolovava ity. Fantatra amin’ireo ady ataony ho an’ny fisitrahan’ny ankizy fanabeazana sahaza ihany koa izy ary miady ho an’ny fisitrahan’ny vehivavy sy ny ankizy ny zony.

Lire la suite

Articles Similaires