Fiomanana amin’ny maitso ahitra : Efa tonga tsikelikely ireo vary nafarana
Te hanome toky ny mpanjfa ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, ka nampahafantatra fa misesisesy ny fahatongavan’ny vary nafarana eto Madagasikara, tao anatin’ny herinandro maromaro izao, na teo aza ny fanafoanan’i Inde ny fanondranana vary mivoaka ny fireneny.
Efa tonga any Toamasina sy Toliara
Tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny vary milanja 300 taonina, nafaran’ny orinasa SPM (State Procurement of Madagascar), hoy ny fampahafantarana nataon’ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana (MICC). Misy vary 21 000 taonina hafa koa, izay nafaran’ny mpandraharaha, efa migadona ao Toamasina. Talohan’izao dia efa nisy vary 300 taonina tonga tao amin’ity seranan-tsambo ity ihany, tamin’ny herinandro lasa teo, ary efa natoby ao amin’ny fitehirizan’entan’ny SPM eny Anosizato izany. Ankoatra izay dia nandray vary 950 taonina ny tao amin’ny seranan-tsambon’i Toliara, tapa-bolana lasa izay.
Miara-miasa amin’ny mpanangom-bokatra
Raha tsiahivina dia nanafoana ny fanondranana vary avy any aminy ny firenena indianina, nanomboka tamin’ny volana jolay 2023. Nisy fiantraikany tamin’ny vidim-bary teo amin’ny tsena iraisam-pirenena izany, noho i Inde mitana ny 40%-n’ny tsenan’ny vary, eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Ankoatra ny vary afarana, araka izany, dia manohy ny fiaraha-miasany amin’ireo mpanangom-bokatra ihany koa ny SPM, amin’ny fividianana ny vokatra eto an-toerana. Tanjona ny hamaliana ny filàn’ny mpanjifa sy ho fitsinjovana ny vidy ivarotan’ny mpamokatra sy ny mpanangom-bokatra ny variny. Izany rehetra izany dia ho fiomana sahady amin’ny fiatrehana ny maitso ahitra, hoy hatrany ny MICC.
Malalaka ny mpanjifa, amin’ny fisafidianana sy fividianana ireo karazam-bary rehetra hita eny an-tsena, hoy Laurencia Razanadrakoto, Talen’ny Fiarovana ny mpanjifa eo anivon’ny MICC. Maro karazana mantsy ny vary hita eny an-tsena ary samy manana ny vidiny izy ireny.