• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena
Image
Vaovao

Mpampiasa hosoka voasambotry ny polisy

21/09/2023 15:26 © Moov.Mg

Fampiasana taratasim-panjakana hosoka : Olona miisa 8 no tra-tehaky ny mpitandro ny filaminana.

Lehilahy iray mpampiasa kara-panondro hosoka no tra-tehaky ny Polisy avy ao amin'ny "surveillance du territoire". Fantatra fa ampiasain'ity farany amin'ny resaka varotra sy taratasy any amin'ny banky ireo kara-panondro hosoka. Nisy moa ny velam-pandrika nataon'ny Polisy ka izao tra-tehaka izao ity olon-dratsy ity.
Miisa 07 ihany koa ireo olona tratran'ny Polisy misahana ny fanadihadiana manokana nampiasa fanamarinam-ponenana sandoka sy taratasin'asa sandoka rehefa nanao Pasipaoro tetsy Anosy. Misy nefa ny fanamarinana ny antontan-taratasy tsirairay mialoha ny hanamboarana ny pasipaoro.
Ampahatsiahivina hatrany fa voarara ary enjehin'ny lalàna velona ny fampiasana taratasy hosoka. Raha sanatria ka minia mampiasa taratasy namboarina dia mety hiafara amin'ny fampidirana am-ponja.

Lire la suite

Articles Similaires