• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Un_News
Image
Vaovao

Ady amin’ny tsifanjariantsakafo : mitombo isa ireo manatona ivon-toerana ho an’ny reny sy ny zaza

20/09/2023 16:52 © Moov.Mg

Manampy betsaka amin’ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo any amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara ny fisian’ny fandaharanasa tahaka ny AFAFI-Sud. Nandritra ny telo taona niasan’ity tetikasa ity tamin’ireo Faritra telo any Atsimo, izay tena ahitana trangana tsifanjariantsakafo betsaka, dia efa nisy ny vokatra hita sy azo tsapain-tanana.

Fampihenana ny taham-pahantrana

Tamin’ny volana martsa 2020 no nanombohan’ny tetikasa AFAFI-Sud. Ny hanohana ny ezaka atao amin’ny fampihenana ny taham-pahantran’ny mponina any amin’ny tontolo ambanivohitra, any atsimo sy Atsimo Atsinana, eo am-piatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro, no tena antom-pisiany. Ny vondrona Eoropeanina no mamatsy vola ity fandaharan’asa ity, tafiditra ao anatin’ny Tahirimbola eoropeanina ho an’ny fampandrosoana (FED) andiany faha-11. Mpisitraka 250 000 isa, izay mpamboly, mpiompy ary mpanjono, monina any amin’ny Faritra Anosy, Androy ary Atsimo Atsinanana no mahazo tombony amin’ity fandaharan’asa ity.

Torohevitra ho an’ny reny

Raha ny any Tolagnaro, faritra Anôsy manokana, dia hita fa efa nitombo isa ireo renim-pianakaviana tonga manara-maso ny fahasalaman’ny zanany eny amin’ny ivon-toerana fandraisana an-tanana ny reny sy ny zaza (CAEM), iarahana miasa amin’ireo mpisehatra ara-pahasalamana eny ifotony (AC). Efa nahazo fiofanana rahateo ireo AC, tao anatin’ity fandaharan’asa ity, mba hananan’izy ireo fahalalana, ahafahany manome torohevitra ho an’ny reny, momba ny sakafo ara-pahasalamana ho an’ny zaza, ny fampinonoana, ho an’ny reny bevohoka... Misy ny fandraisana an-tanana ireo zaza tratran’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka, amin’ny alalan’ny fanomezana fanafody fanampin-tsakafo « plumpy », eny amin’ireo ivon-toerana iasan’ny AC. Ireo zaza izay tratran’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika kosa dia alefan’izy ireo mamonjy tobim-pitsaboana fototra (CSB).

Fiahiana ara-tsakafo ho an’ireo marefo

Hifarana amin’ny volana martsa amin’ny herintaona moa ity tetikasa AFAFI-Sud ity. Asa notanterahina sy mbola hotohizina ao anatin’izany ny momba ny fanohanana sy fiahiana ara-tsakafo ho an’ireo olona marefo, ny mikasika ny fitantanana ireo harena voajanahary ary ny fanamafisana ny fitantanan-draharaham-panjakana, ankoatra ny fanaovana adisisika eo anivon’ireo mpanapa-kevitra, manoloana izay ady amin’ny fahantrana sy amin’ny tsifanjariantsakafo izay.

Lire la suite

Articles Similaires