• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Micc
Image
Vaovao

Ankadinondry Sakay : Hamokatra menaka afaka andro vitsy

20/09/2023 16:41 © Moov.Mg

Tsy ho ela intsony dia hanomboka hamokatra ilay milina fanodinana voanjo ho lasa menaka ao Ankadinondry Sakay. Anisan’ireo kaominina iantefan’ny tetik’asa indostrialy tokoa mantsy i Ankadinondry Sakay, noho izy mamokatra voanjo aman-taoniny isan-taona.

Hiodina tsy ho ela ilay milina

« Andro sisa no isaina dia hiodina ny milina famokarana menaka ao Ankadinondry Sakay », hoy ny eo anivon’ny ministeran’ny Indositria. Raha tsiahivina dia anisan’ireo kaominina voalohany nametrahana ny taninketsa indostrialy i Ankadinondry Sakay. Ankehitriny dia hiverina hamokatra menaka indray iny faritra Bongolava iny, amin’ny alàlan’ny fandefasana ity milina mpanodina menaka ity.
Fantatra ary fa hitoto voanjo 400 kg isan’ora, izay ahazoana menaka 160 litatra isan’ora io milina io. Efa vonona sy ampy ihany koa ny voanjo ilaina amin’ny famatsiana ny milina amin’izao fiandohan’ny tetik’asa izao, izay marihina fa ny kaoperativan’ny tantsaha mpamboly voanjo no mamatsy azy. Hisy ihany koa ny fanangonana vokatra manerana ny faritra Bongolava sy ny faritra hafa izay ho tanterahan’ireo kaoperativa mba hahafahana mampandeha ny taninketsa indostrialy.

Hiteraka asa fivelomana

Tanjona iray ao anatin’ny fanatanterahana ny tetik’asa taninketsa indostrialy ny hanomezan-danja ireo faritra izay hiantefany. Ankoatra izay dia mandray anjara lehibe amin’ny lafiny famoronana asa fivelomana ihany koa io tetik’asa io. Fianakaviana 5 miara-miombon’antoka izay mety ahitana olona 20 eo ho eo no hahazo asa mivantana amin’ny alàlan’ny fampiodinana ity milina mpamokatra menaka ity. Tantsaha miisa 1 800 eo eo ihany koa no hahazo tombotsoa amin’izany.
Ny herinandro lasa teo moa no tonga tao Ankadinondry Sakay ny birao rezionalin’ny ministeran’ny Indostria ny hierinandro lasa teo. Nandritra izany no nanolorana ity kaominina ity, ireo fitaovam-pitantanana rehetra ilaina amin’ny fanodinana io ozinina io. Tafiditra tao anatin’ireo fitaovam-pitantanana ireo ohatra ny drafitra fitadiavana mpiasa, ny teti-pamatsiana akora fototra ny orinasa, ny rindra-pamokarana sy ny fitsinjarana ny vokatra any amin’ny mpanjifa.
Antenana hitondra fanatsarana ny fidiram-bolan’ny mponina, fa ihany koa ny fampandrosoana ny kaominina Ankadinondry Sakay izao fisokafan’ny orinasa mpanodina menaka ao an-toerana izao.

Lire la suite

Articles Similaires