• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Madagascar_Tourisme
Image
Vaovao

Bileta tokana atonta ao Afrika Atsimo : Safidin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, hoy ny CENI

20/09/2023 16:37 © Moov.Mg

Hotanterahina ny zoma 22 septambra izao ny fihaonana faha-4 karakarain’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI), izay anasany ireo kandida na ny solon-tenany, ary ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana ny zotram-pifidianana. Etsy an-daniny dia mitohy hatrany ny fanontana ny bileta tokana any Afrika Atsimo.

Avy amin’ny kitapom-bola iraisana

Araka ny fanazavana azo avy eo anivon’ny CENI, dia fiaraha-miasa amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena no nahatonga ny fisafidianana an’i Afrika Atsimo ho toerana anontana ny bileta tokana izay hampiasaina amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena malagasy, hotontosaina amin’ny volana novambra. Ny fianakaviambe iraisam-pirenena, araka izany, no nitady ny orinasa hanonta ny bileta tokana sy nanao ny fifanaraham-piaraha-miasa momba izany. Izy ireo ihany koa no mandoa ny vola rehetra amin’ny fanontana izany. Tsy volam-panjakana Malagasy, hoy ny fanazavan’ny sekretera mpanatanteraka nasionalin’ny CENI, Rakotondrasoa Tseheno, no anamboarana ireo biletà tokana ireo, fa avy amin’ny alalan’ilay kitapom-bola iraisana, na « basket fund ».

Fakan-kevitra momba ny zotram-pifidianana

Ho fanazavana ny resaka manitikitika toy izany indrindra no antony hikarakaran’ny CENI fihaonana sy dinika miaraka amin’ireo kandida ho filoham-pirenena, na ny solontenan’izy ireo, sy ireo mpiantsehatra rehetra ao anatin’ny zotram-pifidianana. Ny zoma 22 septambra izao no hanatanterahana ny andiany faha-efatra amin’ny dinika ifampizaram-baovao sy ifanakalozan-kevitra momba ny zotram-pifidianana, karakarain’ity vaomiera ity. Raha tsiahivina dia kandida 2 monja amin’ireo 13, no mba nandefa solon-tena hiatrika ny fihaonana notanterahina tamin’ny alatsinainy 18 septambra lasa teo, ka asa na hitombo io isa io na tsia. Ao amin’ny hotely Carlton Anosy no hanatanterahana ny dinika amin’io zoma io, manomboka amin’ny 9 ora maraina. Hiompana amin’ny fanazavana sy fakan-kevitra momba ny zotram-pifidianana ny fihaonana, ankoatra ny lohahevitra hafa tsara ifampizaràna.

Momba ireo biletà tokana kosa dia heverina ho tonga eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato izany, amin’ny fiantombohan’ny volana oktobra. Mahavita bileta tokana 2 tapitrisa isan’andro ireo masinina roa mpanamboatra izany, ka 4 tapitrisa no efa vita tonta pirinty, hatramin’ny afak’omaly, hoy ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny CENI.

Lire la suite

Articles Similaires