• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Antsiranana : Nahitana fatina trozona lehibe

20/09/2023 09:34 © Moov.Mg

Trozona iray mirefy 8 hatramin'ny 10 metatra eo ho eo no hita faty tao amin'ny fokontany Lazaret Sud, Kaomina Ambonivohitra Antsiranana, Distrikan'Antsiranana I, Faritra Diana, omaly talata 19 septambra 2023 tokony ho tamin'ny 1 ora tolakandro. Efa tonga teny an-toerana ny zandary sy ny tomponandraikitra avy amin'ny antokon-draharaha misahana ny Fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy (APMF) nizaha ifotony ny zava-mitranga.

Tranga fahita isan-taona

Eo anelanelan'ny volana jona hatramin'ny volana oktobra no fandalovan'ireo trozona misy vombo amin'ny fari-dranomasin'i Madagasikara. "Rehefa vanim-potoana mangatsiaka ny any amin'ny faritra arktika dia miakatra mamonjy hafanana izy ireo, ka anisan’izany ny aty amin’ny manodidina ny morontsirak'i Madagasikara. Tsy misakafo izy ireo rehefa tonga aty, noho ny tsy fisian'ny sakafo ho hanin'izy ireo, fa tonga hiteraka na hanatanteraka firaisana matetika. Noho izany indrindra dia mety ho maro ny zanaka trozona tazana mandritra ny fotoana fandalovan'izy ireo", hoy ny fanazavan'ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tamin'ny volana mey lasa teo, mialohan'ny hahatongavan'ny vanim-potoana fandalovan'ny trozona. Araka izany dia tranga fahita isan-taona aty amintsika ihany koa ny fahitana trozona fefika sy maty toy izao.

Vokatry ny antony maro

Misy antony maro no mety hahatonga ny trozona ho fefika, araka ny fanazavan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Anisan'izany ny antony ara-boajanahary, toy ny fahanterana. Mety ho vokatry ny ratra na aretina na havizanana ihany koa. Raha sendra kambana ilay trozona dia mety ho tsy voakarakara ny iray, ka farany dia maty. Fa isan’ny mahafefika, na mahafaty ny trozona ihany koa ny antony avy amintsika olombelona : mifandona tamin'ny sambo, misaringotra amin’ny harato na koa noho ny tsy fahazakan'izy ireo feo mafy any anaty ranomasina... Manentana ny rehetra moa ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga mba hampandre ny tomponandraikitra raha sendra mahita trozona fefika. Aleo ihany koa mitandrina, tsy mihinana ny nofony na ny menaka azo avy aminy, fa mety hiteraka fanapoizinana ara-tsakafo iznay.
Araka ny fantatra dia niisa 13 ny trozona fefika hita nandritra ny taona 2022 tamin'ny Faritra 9 teto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires