• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mdn
Image
Vaovao

Hetsika Tselatra – Ankazoabo : Nahitana vokany ny asa natao

18/09/2023 14:03 © Moov.Mg

Hetsika iray tanterahan’ny eo anivon’ny tafika malagasy mba hahafahana manamafy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ny TSELATRA. Nahitana vokany indray izany ny faran’ny herinandro teo, araka ny tatitra nataon’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena.

Dahalo 7 no lavo

Omaly 17 septambra no nirosoan’ireo miaramila, zandary sy fokonolona tamin’ny fanarahan-dia sy tamin’ny fifandonana tamin’ireo dahalo nandroba omby an-jatony maro. Namaivaivay ny fifandonana teo amin’ny roa tonta ka dahalo miisa 7 no lavo tamin’izany. Tao ihany koa ireo naratra. Tsy tapitra hatreo ny asa fa mbola mitohy amin’ny fikarohana ireo tafaporitsaka.
Avotry ny miaramila, niaraka tamin’ny zandary sy ny fokonolona teny an-tànan’ireo dahalo ireo omby ireo, izay tsiahivina fa norobain’ireto farany tao amin’ny fokontany Tsitakadahy, kaominina ambanivohitra Berenty, ao amin’ny distrikan’i Ankazoabo.

Hetsika tselatra

Nahitam-bokatra tsara indray tamin’ity indray mitoraka ity ny Hetsika Tselatra izay tontosain’ireo miaramila mpampandry tany. Raha hiverenana dia fomba fiady iray napetraka teo anivon’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena ny Hetsika Tselatra. Tanjona voalohany amin’izany ny hanafoanana ireo fikambanan’ny jiolahy fa ihany koa ny hanatsaharana ny halatr’omby any amin’ireo tany alavitra andriana. Misy tokoa ny fidinanana ifotony sy ny fifehezana ireo faritra mena, izay tanterahan’ireo miaramila. Izany no atao dia ny mba hahafahan’ireo mponina miaina am-pilaminana, fa ihany koa mba hampanjakana ny fandriampahalemana amin’ny ankapobeny.
Anisan’ireo hetsika Tselatra izay niarahan’ireo miaramila, zandary sy fokonolona niaraha-niasa ity tao Ankazoabo ity, koa izao nahitana vokany mahafapo izao. Miverina tsikelikely araka izany ny fifampitokisana eo amin’ireo mponina sy ireo miaramila ary ny mpitandro ny filaminana. Mihena arak’izany ihany koa ireo asan-dahalo isan-karazany toa ity halatr’omby ity.
Ilaina hatrany anefa ny fanatsarana ny fomba fiasa sy ny fitohizan’ny hetsika toa izao mba hahafahana miady, amin’ny fomba mahomby, amin’ireo asan-jiolahy izay fanetribe ny firenena.

Lire la suite

Articles Similaires