• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © L'Opinion Indépendante
Image
Vaovao

Tontolo iainana : Andro maneran-tany hanadiovana ny planeta tany ny 16 septambra

15/09/2023 16:20 © Moov.Mg

Marihana rahampitso 16 septambra ny andro maneran-tany hanadiovana ny planeta tany. Mandray anjara amin’ity hetsika maneran-tany ity i Madagasikara, ka hetsika fanadiovana maro no hotanterahina manerana ny Nosy mandritra io tontolo andro io, ho fitsinjovana ny tany sy ny zava-manan’aina ao aminy.

Fako miparitaka any anaty natiora

Tany Estonia no nipoiran’ny fanamarihana ny andro maneran-tany hanadiovana ny planeta tany, tamin’ny taona 2002. Ny fikambanana Let’s do it World no tompo-marika amin’ny fanetsiketsehana ny fikambanana isan-karazany sy ny olom-pirenena tsirairay, mba hanokana andro iray isan-taona hanadiovana ny manodidina, ny tokantrano, ny lalana, ny sisin-dranomasina, ny orinasa… Tanjon’ity andro eran-tany hanadiovana ny tany ity ny hanangonana ireo fako miparitaka any anaty natiora, ny hanavahana azy ireny ary ny hanodinana ho azo ampiasaina indray izay mbola azo ahodina. Tanjona iray ihany koa ny fampahatongavan-tsaina ny mpanapa-kevitra sy ny tsirairay, fa maro loatra ny fonon-javatra sy ny karazam-pako hafa miparitaka any anaty tontolo iainana rehetra any.

Toerana maro manerana ny Nosy

Eto Madagasikara dia ny fikambanana Let's Do It, Madagascar no manetsiketsika ny fanadiovana, izay hotontosaina amin’ny toerana maro manerana ny Nosy, eo ambany fiahian'ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Isan’ireo toerana hodiovina ny Marais Masay Antananarivo, ny farihin’Andraikiba Antsirabe, ny fokontany Antanifotsy Ambatondrazaka, ny tranon’ny mpianatra ao amin’ny Anjerimanontolo Andrainjato Fianarantsoa, ny sisin-dranomasin’i Mahajanga sy ny toerana maro hafa. Tsy ireo mpikambana ihany no hanatontosa ny fanadiovana, fa asain’ny fikambanana Let's Do It, Madagascar sy ny ministera ihany koa ny olona rehetra mba hiara-hientana hanadio, araka ny faritra misy azy avy.

Tamin’ny taon-dasa, araka ny antontan’isan’ny Let’s do it World, dia nahatratra 15 tapitrisa ny olona nirotsaka an-tsitrapo nanadio ny planeta tany, nanerana ny firenena miisa 190.

Lire la suite

Articles Similaires