• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Filàn-kevitra ambonin’ny Mpitsara : hiroso amin’ny fifidianana ireo mpikambana vaovao

15/09/2023 16:08 © Moov.Mg

Tapitra amin’ny volana desambra 2023 izao ny fotoam-piasan’ireo mpitsara mandrafitra ny Filàn-kevitra ambonin’ny Mpitsara eto Madagasikara (CSM) amin’izao fotoana izao. Araka izany dia tsy maintsy hirosoana indray ny fifidianana ireo mpitsara vaovao hisolo tena handrafitra ny CSM.

Mpitsara am-perin’asa

Hotanterahina amin’ny 20 oktobra izao izany fifidianana ireo mpitsara handrafitra ny CSM vaovao izany, ka ireo mpitsara mbola am-perin’asa hatramin’ny fotoana hanatanterahana ny fifidianana no afaka mandray anjara amin’ny fandatsaham-bato. Ny didim-pitondrana laharana faha-25818-2023 moa no mamaritra ny fomba fifidianana ireo mpikambana vaovao ho amin’ny taom-piasana 20242027. Araka izany, haharitra telo taona ny fotoam-piasan’ireo izay mpikamban’ny CSM vaovao ary tsy azo havaozina eo no ho eo izany.

8 taona niasana

Efa misokatra ny fametrahana ny taratasy filatsahan-ko fidiana, ho an’ireo izay maniry ny handrafitra ny Filàn-kevitra ambonin’ny Mpitsara ary haharitra hatramin’ny 20 septambra ny fandrotsahana izany. Araka ny didim-pitondrana navoakan’ny ministeran’ny fitsarana dia Mpitsara am-perin’asa, efa nahavita 8 taona niasana fara-fahakeliny ary manaraka sy manana fitsipika ara-moraly no afaka milatsaka hofidiana. Tsy tokony ho mpitsara efa voaheloka ara-pitsarana ihany koa. Hanomboka ny 5 oktobra hatramin’ny 19 oktobra ny fampielezan-kevitra mialoha ity fifidianana ny mpikamban’ny CSM vaovao ity.

Fanjakana tsara tantanana

Ny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara moa dia rafitra manaraka ny Lalàmpanorenana. Izy no miantoka ny fahaleovantenan’ny Fitsarana sy ny mpitsara. Iankinan’ny Fanjakana tsara tantanana sy ny fampanjariana ny tany tan-dalàna ihany koa ny CSM. Miankina betsaka amin’ity rafitra ity, araka izany, ny fahatsaran’ireo mpitsara sy ny fahamarinan’ny didy avoakan’izy ireo, noho izy miahy mivantana ny fitantanana ny mpitsara rehetra no sady manara-maso ny fampiharana ny fitsipika mifehy ny fitondran-tenan’izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires