• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Euractiv
Image
Vaovao

Famonoan-tena : Olona 700.000 isa isan-taona no maty, maneran-tany

15/09/2023 16:01 © Moov.Mg

Olona miisa 700.000 isan-taona eran-tany no mamoy ny ainy vokatry ny famonoan-tena, araka ny tatitra navoakan’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS) tamin’ity herinandro ity.

Isan’ireo antony voalohany mitarika ny fahafatesana eran-tany ny famonoan-tena, araka ity fampahafantarana nataon’ny OMS ity.

Fahaketrahana ara-tsaina

Ho an’i Madagasikara manokana, araka ny tombana navoakan’ny OMS ho an’ny taona 2019, dia olona maherin’ny 5 amin’ny mponina 100.000 no namono tena. Maneran-tany kosa dia vokatry ny famonoan-tena ny antom-pahafatesana 1 amin’ny 100. Amin’ny ankapobeny, ireo olona voailika noho ny fironana ara-pananahana, ireo voafonja, ireo mpifindra monina sy ireo vondron’olona vitsy an’isa no voasarika hanapitra ny ainy manerana izao tontolo izao. Ho an’ny eto Madagasikara kosa, araka ny fantatra dia lehilahy ny 7 amin’ireo 9 mamono tena. Ny fahaketrahana ara-tsaina vokatry ny fahadisoam-panantenana ara-pitiavana, ny fahasahiranana ara-bola, ny olana arak’asa na ara-pianakaviana na ihany koa ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina no tena antony mitarika ny famonoan-tena eto Madagasikara.

Fanamelohan’ny fiarahamonina

Azo sorohina tsara ny famonoan-tena, hoy ny OMS. Ny voalohany amin’izany dia ny fanafoanana ny fanasaziana ireo olona manandrana manao izany. Fara-fahakeliny mantsy dia firenena 23 maneran-tany no manana lalàna manasazy ireo olona manapitra ny ainy. Tsy voakasik’izany kosa i Madagasikara, saingy ny fanamelohan’ny vavan’ny fiarahamonina dia tena mbola manjaka. Betsaka ny mandatsa sy manaraby ny olona nanandrana namono tena nefa tsy maty. Sakana lehibe tsy ahafahana misoroka ity zava-doza ity anefa ny fanamelohana ny famonoan-tena. Lasa matahotra mitady fanampiana sy fanohanana mantsy ilay olona. Mahatonga fahadisoana eo amin’ny antontan’isa ihany koa izany, satria tsy sahy milaza ny marina ny olona rehefa hadihadiana. Mitarika fahadisoana eo amin’ny fanapahan-kevitra raisin’ireo tomponandraikitry ny fahasalamana ara-tsaina ny tsy fahatomombanan’ny antontan’isa.

Tsy ampy ny mpitsabo

Etsy an-daniny dia isan’ny olana lehibe ho an’i Madagasikara ny tsy fahampian’ireo mpitsabo miompana amin’ny fahasalaman’ny saina sy ny sampandraharaha mandray an-tanana ireo olona tratran’ny fikorontanana ara-tsaina, toy ny fahaketrahana na ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina. Dokotera « psychiatre » iray ho an’ny marary 5.000 isa no soso-kevitry ny OMS, saingy « psychiatre » iray ho an’ny marary 10.000 isa no misy eto Madagasikara, no sady mivangongo amin’ny tanàn-dehibe ny maro amin’izy ireo.

Mifantoka amin’ny fahaiza-miatrika
Ankoatra izay, araka ny tatitra nataon’ny OMS dia manana anjara andraikitra lehibe amin’ny fisorohana ny famonoan-tena ny fampahalalam-baovao isan-karazany. Tsikaritra mantsy fa mampitombo ny tahan’ny famonoan-tena ny fanadihadiana sasany miresaka famonoan-tena, indrindra raha olo-malaza no nanapitra ny ainy. Misy olona efa marefo, mahita ireny fanadihadiana ireny, no maka tahaka ny nataony. Izany no antony tokony ialana amin’ny endrika fanadihadiana manaitaitra sy mitantara amin’ny antsipirihany ny fomba nampiasan’ilay olona namono tena. Nanolotra soso-kevitra moa ny OMS mba hifantohan’ny mpanao gazety kokoa any amin’ny sandan-tohitra (résilience) sy ny fahaiza-miatrik’ireo olona tafavoaka velona tamin’ny fikasany hamono tena.

Lire la suite

Articles Similaires