• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Foara Analamanga : Mpisehatra 240 no mandray anjara

15/09/2023 14:54 © Moov.Mg

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany 15 septambra ny Foara Analamanga andiany voalohany. Haharitra telo andro ity hetsika izay tanterahana ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ity.

Maimaim-poana ny fandraisana anjara

Tantsaha sy mpandraharaha 240 isa no tonga mampiranty ny vokatr’izy ireo etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina manomboka androany, ka hitohy hatramin’ny alahady 17 septambra. Maimaim-poana ny fandraisana anjara ho an’ireo mpisehatra, noho ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny governoran’ny Faritra Analamanga sy ny avy eo amin’ny Sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao. Maimaim-poana toa izany ihany koa, araka izany, ny fidirana ho an’ireo mpitsidika.
Zava-dehibe ho an’ny faritra ny fisokafan’ity andiany voalohany amin’ny Foara Analamanga ity satria fotoana iray hanomezan-danja ny vokatra ato anatin’ny faritra. « Netsehina manoka ireo tantsaha eraky ny distrika 8 mandrafitra ny faritra Analamanga mandritra izao foara izao. » hoy ny Governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery nanazava.

Fandraisana anjaran’ny tantsaha sy ny mpanao asa tànana

Mitodika manokana amin’ireo tantsaha mpamboly, mpiompy, mpisehatra ao anatin’ny jono, ary ireo mpanao asa tànana ity foara ity. An-jatony maro izy ireo no namaly ny antso. « Raha ho anay manokana izao dia ny fokontany no tonga nampilaza anay ny fisian’izao hetsika izao. Dia izao izahay tonga mandray anjara izao, sady mamaim-poana ny fandraisana anjara », hoy i Mme Lalaina, mpitazona trano heva sy mpanao asa tànana malagasy, mitantara.
Miompana tanteraka amin’ireo vokatra isan-karazany izay vokarina eto amin’ny faritra Analamanga ny hetsika, araka izany. « Manamarika tantara lehibe ho an’ny faritra izao foara izao satria manome lanja tanteraka ny fambolena, ny fiompiana, ny jono, ny asa tànana ary ny tontolo ambanivohitra » hoy ny ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Ramilison Harifidy, nanamafy nandritra ny fandraisam-pitenenany.

Sehatra hihaonan’ireo tantsaha sy ireo mpandraharaha

Ankoatra ny fampirantiana sy ny varotra dia fotoana iray hahafahan’ireo tantsaha sy mpanao asa-tànana mihaona amin’ireo mpandraharaha vahiny sy eto an-toerana ihany koa ny foara toa izao. « Ankoatra ny fampahafantarana ny entana vokarinay dia tanjonay amin’izao fandraisana anjara izao ihany koa ny hihaonana sy hiaraha-hiasa amin’ireo mpandraharaha, na vahiny izany na malagasy. Ireo mpanondrana entana any ivelany izao no tena tianay hiara-miasa », hoy hatrany i Lalaina manantena.
Tsy ny sehatry ny asa-tànana ihany, fa anisan’ireo manantena ny hanitatra ny tsenany mandritra izao foara izao ihany koa ireo mpiompy, mpamboly ary ireo ao anatin’ny sehatry ny jono. Samy manaingo sy mandravaka ny trano-hevany ireo mpampiranty, mba hahasarika ireo mpitsidika.

Asa mahavelona

Sehatra azo idirana tsara ho an’ny tanora mitady asa, ary mahavelona tsara ny fambolena, ny fiompiana, ny jono ary ny asa-tànana amin’ny ankapobeny. « Mahavelona ny asa-tànana malagasy rehefa tena ifotorana. Efa 23 taona izao izahay no nisehatra tamin’ity seha-pihariana iray ity ary velona tsara. Nandritra ny vanim-potoanan’ny Covid fotsiny no somary nano-sarotra satria ny anay ny asa-tànana tsy vadin’asa fa tena asa fivelomana », hoy i Lalaina nizara.
Azo hilofosana sy trandrahana tsara ireo sehatra izay omen-dànja esty Mahamasina mandritra ny telo andro ireo. « Tena mamokatra ny tantsaha. Miasa ny tantsaha ary tena hita fa be dia be ireo sehatr'asa azon’ny tanora idirana amin’ireo seha-pihariana ireo. Tena mahavelona sy mampidibola izany. » hoy ny ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana nanamafy.
Etsy an-dàniny dia hitohy ny fanaparitahana zezika biolojika sy masomboly voafantina hahafahan’ireo tantsaha manatsara ny vokatra hatrany. Manampy amin’ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra ihany koa izany ary anisany antoka iray hanatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Lire la suite

Articles Similaires