• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Jono – Ikalamavony : Nozaraina karatra ireo mpiompy trondro

14/09/2023 17:28 © Moov.Mg

Anisan’ny sehatra iray lehibe miantoka ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny firoboroboana ara-toekarena ny ny Jono. Tokatrano maro manerana ny Nosy no miaina amin’io sehatra io.

Mitohy ny ezaka ho an’ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Mitety faritra ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, noho izany, ary manakaiky ny mpisehatra. Anisan’ireo faritra anaovan’ny ministera izany fidinana ifotony izany i Matsiatra Ambony.

Karatra ho an’ny mpiompy

Androany 14 septambra no nanatanterahanan’ny avy eo amin’ny MPEB ny hetsika fizarana karatra ho an’ireo mpiompy trondro ao Ivatsiana, distrikan’i Ikalamavony any amin’ny faritra Matsiatra Ambony. Tsara kosa anefa ny manamarika fa natokana ho an’ireo izay efa nahazo fahazoan-dalàna aloha izany karatra izany amin’ity indray mitoraka ity. Nisy ihany koa ny fanentanana ireo mpiompy trondro noho izao ankatoky ny fotoana fidian’ny rano izao. Raha tsiahivina dia ny 15 Oktobra no hanomboka ny fidian’ny rano, ary tsy hiverina hisokatra izany raha tsy ny 15 Desambra.

Fanomezana zana-trondro

Ankoatra ny hetsika fizarana karatra izay natao androany dia efa niroso tamin’ny fanomezana zana-trondro ho an’ny faritra ihany koa ny MPEB. Zana-trondro miisa 4 000 ary no narotsaka tao amin’ny reniranon’ny Matsiatra manamorona ny tanànan’ny Bekofafa ao amin’ny fokontany Ivatsiana. Nisy ihany koa ny firesaha tamin’ny fikamban’nny mpanarato Tsinjoezaka sy Lovasoa.
Tsara ny manamarika fa ny fiaraha-miasa teo amin’ny DRPEB Matsiatra Ambony sy ireo mpanarato mivondrona ao amin’ireo fikambanana voalaza tetsy ambony no nahafahana nanatanteraka izao fandrotsahana zana-trondro izao. Marihina fa ny 2 000 tamin’ireo zana-trondro narotsaka dia azo avy amin’ireo vavy trondro sy lahy trondro izay nomen’ny ministera hakana taranaka.
Antenaina hampiroborobo ny sehatry ny jono any amin’iny faritra Matsiatra Ambony iny ny fandrotsahana zana-trondro toa izao, sy ny fanolorana karatra ho an’ireo mpiompy trondro. Anisan’ny sehatra iray hanampy ny firoboroboan’ny toekarena any an-toerana ihany koa izany.

Lire la suite

Articles Similaires