• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le_Parisien
Image
Vaovao

Moto : Hetsika ho fisorohana ny loza

14/09/2023 16:49 © Moov.Mg

Matetika loatra tato ato, ireo trangana lozam-pifamoivoizana izay miteraka faharatrana na fahafatesan’ireo mpamily kodiaran-droa na moto. Maro ireo fianakaviana sy ray aman-dreny no very zanaka sy very havana noho izany.

Zava-dehibe ho an’ny fiarovana ny ain’ny mpitondra kodiaran-droa sy ny mpampiasa làlana araka izany ny firosoana amin’ny hetsika fanentanana isan-karazany.

Hetsika fanentanana

Fomba voalohany enti-miady amin’ny lozam-pifamoivoizana mpahazo ireo mpamily moto ny hetsika fanentanana. Mitodika amin’ny rehetra ny hetsika toa izany, fa indrindra indrindra amin’ireo mpianatra sy tanora izay matetika iharan’ny loza. Misy araka izany ny hetsika tanterahan’ny mpiara-miombon’antoka tsy miankina sy ny ministeran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetrandro ho fisorohana ny loza mpahazo ireo mpamily moto.
Tsy ho ela dia hanomboka ny fanentanana izay miendrika fiofanana ho an’ireo mpianatra eny Ambohitsaina fa ihany koa ho an’ireo mpampiasa moto. Mila misoratra anarana anefa ireo izay maniry ny hiroso amin’izany. Fantatra ary fa hisitraka fiofanana mandritra ny ora iray sy sasany eo ho eo ireo mpiofana. Horesahana mandritra io fiofanana io ireo fihetsika tokony hanananan’ny mpamily moto, fa ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fanaovana ireo fitaovam-piarovana voatokana. Aroloha manaraka ny fenitra sy mari-pahazaina fahavitana ny fiofanana kosa no omena ireo izay mandray anjara amin’ny hetsika. Olona miisa 2 600 eo no heverina hisitraka izany.

Fametrahana didi-pitondrana

« Hatsaraina ato ho ato ny didi-pitondrana mahakasika ny fifamoivoizana fa indrindra indrindra ny moto », hoy i Ramonjavelo Valery, ministry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro androany, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety. Hisy ny fanatsarana izay ho entina hahafahana manena arak’izay tratra ireo lozam-pifamoivoizana mpahazo ny kodiaran-droa. Tanjona tokoa mantsy ny hanenana hatrany amin’ny 50% ny tahan’ny loza vokatry ny moto mandrapahatogan’ny taona 2030.

Mpamily moto lavitry ny loza

Natao ho an’ny rehetra ireo karazana fanentanana ho fiarovana amin’ny lozam-pifamoivoizana toa izao. Fantaro ary ireo fomba vitsivitsy manampy amin’ny fisorohana ny loza mety hahazo ny kodiaran-droa :

Miala amin’ireo fihetsika mety hampidi-doza toa ny fitondrana entana mavesatra loatra, ny fanaovana taingim-be, ny fandehanana mafy rehefa avy orana, sns

Manao aroloha sy arovatana. Apetaka tsara ny aroloha ary idiana mba hialana amin’ny mety ho loza

Manaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Tsy misisitsisika eny anelanelan’ireo fiara, ary manaja ny hafainganam-pandeha voatondro.

Mikarakara ny moto. Jerena ny hisatra sy ny kodiarana mialohan’ny hiaingana.

Maro ireo antony mety hiteraka lozam-pifamoivoizana, toa ny tsy fanarahana ireo lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Mbola maro tokoa ireo mpampiasa lalàna no tsy mahafehy ireo lalàna ireo. Ao ihany koa ireo minia tsy mandàla izany tsotra izao. Tsy miankina amin’ny olona iray fa miankina amin’ny rehetra anefa ny ady amin’ny lozam-pifamoivoizana. Samy tompon’andraikitra avokoa noho izany na ireo mpamily fiara, na ireo mpitondra moto, na ireo mpandeha an-tongotra.

Lire la suite

Articles Similaires