• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Primature - Lapan'I Mahazoarivo
Image
Vaovao

OMC-NAT : Hanao ny ezaka rehetra hahatontosa ny fifidianana am-pilaminana

14/09/2023 16:31 © Moov.Mg

Antso ho amin’ny fitoniana, izay no isan’ny nivoitra nandritra ny fivorian’ny Organe Mixte de Conception - National (OMC-NAT) androany 14 septambra 2023 teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo. Ny Praiminisitra Ntsay Christian no nitarika izany fivoriana izany.

Fandaminana sy ny fepetra

Nodinihina nandritra ity fivorian’ny OMC-NAT ity ny fandaminana sy ny fepetra ho raisina mandritra izao vanim-potoan'ny fifidianana izao, araka ny fampitam-baovaon’ny serasera eny Mahazoarivo. Ny hanatanterahana fifidianana milamina mantsy no tanjona, satria ny fifidianana no hany lalana tokana hizorana mba hananan'i Madagasikara Filoham-pirenena amin'ny volana janoary 2024. Araka izany dia nilaza ny hanao ny ezaka rehetra hahatontosa ny fifidianana ao anatin'ny filaminana ny OMC-NAT. Noho izany indrindra dia nanao antso avo ho an'ny vahoaka Malagasy ny OMC-NAT, mba hisian'ny fitoniana ao anatin'izao vaninandro mampafanafana ny raharaham-pirenena izao.

Filaminana eny anivon'ny fiarahamonina

Nodinihana nandritra ity fivoriana ity ihany koa ny fomba hanamafisana ny filaminana sy ny fandriampahalemana eny anivon'ny fiarahamonina, mba hisorohana ny ambana sy izay mety ho endrika fanararaotana rehetra mety hitranga. Tetsy an-daniny dia nampahatsiahy ireo mpanao politika ny Praiminisitra Ntsay Christian, fa tsy fotoana fambolena korontana izao na hampisaraham-bazana ny Malagasy. Efa mazava rahateo ny tetiandro napetraka, izay niarahan'ny fitondram-panjakana sy ireo rantsamangaika miandraikitra ny zotram-pifidianana nanapaka, ka adidin'ny olom-pirenena sy ny tompon'andraikitra rehetra no manaraka izany araka ny maha-tany tan-dalàna an’i Madagasikara, hoy hatrany ny tatitry ny fivoriana.

Fahafahana mikaroka vaovao

Nohodidinina resa-be moa ity fivorian’ny OMC-NAT ity, noho ny voalaza fa nisian’ny fanavakavahana mpanao gazety, izay nisy tsy navela niditra nanatrika ny tafa. Nahatonga ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) hamoaka fanambarana izany, izay nampahatsiahivany fa manameloka ny endrika fanavakavahana sy fanakantsakanana mpanao gazety amin'ny fahafahany mikaroka vaovao ny OJM, satria midika ho fanitsakitsahana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ny toy izany. Ny hampisitraka ny zo fototry ny olompirenena hahazo vaovao marina sy voamarina ary azo hamarinina no asan’ny mpanao gazety, na inona na inona ny orinasan-gazety sy ny fironana politikan'ny orinasan-gazety iasany, hoy hatrany ny fanambarana, izay nosoniavin’ny filohan'ny OJM, RASOLOARISON Monica.

Lire la suite

Articles Similaires