• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ilo
Image
Vaovao

Tari-dalana momba ny asa ara-drariny : samy vonona hampihatra ny mpiasa sy ny mpampiasa

14/09/2023 13:28 © Moov.Mg

Samy voakasiky ny tari-dalana momba ny fampananan’asa ara-drariny, novolavolain’ny Vondrona iraisam-pirenena momba ny asa (OIT) avokoa, na ny mpampiasa, na ny mpiasa, hatramin’ny fitondram-panjakana. Ny fiaraha-mientan’ny rehetra no ahafahana mampihatra azy, ho fandrosoan’ny orinasa.

Ho fanatsarana ny famokarana

Isan’ny hita ao anatin’io tari-dalana io ny momba ny ady amin’ny fampiasana ny ankizy, ny karama, ny hodidin’ny tontolon’ny asa amin’ny ankapobeny, ny pôlitika ankapoben’ny fampananan’asa, ny fiofanana ho an’ireo mpiasa sy ny momba ny asa an-terivozona. Samy resy lahatra ny amin’ny tokony hampiharana io tari-dalana io avokoa ireo telo tonta tompon’andraikitra amin’ny fampananan’asa ara-drariny, hoy ny Tale jeneralin’ny asa sy ny lalàna sosialy, Razakaboana Hanitra. Efa miroso mankany amin’izay fiaraha-mientana izay rahateo, satria ny tanjona ihany koa dia iraisana, dia ny ezaka hanatsarana ny famokarana eny anivon’ny orinasa.

Mitovy tadin-dokanga

Raha ny tsikaritry ny mpampiasa dia efa manomboka mahay mampitovy tadin-dokanga ny mpiasa sy ny mpampiasa ankehitriny, fa tsy voatery hifandrirotra foana. Araka izany, tsy misy mandà ny fampiharana ity tari-dalana ity, na ny mpiasa, na ny mpampiasa. Efa nanamafy izay fivoaran’ny fifampiresahana eo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa izay rahateo ny filohan’ny Randrana Sendikaly, Rakotomanga Barson. Raha ny nambarany dia voavaha tamin’ny alalan’ny fifampiresahana natao teny anivon’ny orinasa daholo ny 70%-n’ny olana nentin’ny mpiasa teo anatrehn’izy ireo. Vitsy dia vitsy, hoy izy, ny dosie nampiakarin’ny Randrana Sendikaly teny anivon’ny fitsarana.

Antenaina, araka izany, fa hanatsara ny tontolon’ny asa sy ny fampananan’asa eto amintsika ity tari-dalana ity. Ny fampiroboroboana sy ny fampahafantarana amin’ny besinimaro ny antsipirihany no tena zava-dehibe, izay efa manomboka ny fanatanterahana azy, hoy ny Tale jeneralin’ny asa sy ny lalàna sosialy.

Lire la suite

Articles Similaires