• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Tsy fanatanterahana didim-pitsarana : Nogiazana ny fananana mpandraharaha iray

14/09/2023 09:02 © Midi Madagasikara

Notanterahana ny zoma 08 septambra teo tao amin’ny fokontany Antsinangavo kaominina Soanierana Ivongo, ny kamiao iray hana mpandraharaha mpanam-bola avy ao an-toerana.

Raha ny fanazavana dia tsy fanatanterahana didim-pitsarana ny 29 aogositra, izay mandidy azy handoa onitra tamina haino aman-jery tsy miankina iray RNA ao Soaniarana Ivongo, izay mitentina 76 tapitrisa ariary. Raha ny fanazavana dia nodomin’ity kamiao na mpandraharaha ity ny « antenne »-ny ity radio ity ny 16 aprily 2023 tokony ho tamin’ny 11ora antoandro.

Niezaka nifampiresaka tamin’ilay mpandraharaha ny tompon’ny onjam-peo, saingy tsy te-ahalala noho ny fananam-bolany ilay mpandraharaha , ankoatra ny teny havona mahazo an’ilay tompon’ny onjam-peo. Vokatra izay dia nitondra fitoriana teny amin’ny fitsarana tao Fenoarivo atsinanana ny tompon’ilay onjam-peo. Raha nandeha ny fotoam-pitsarana dia mihevitra ny tsy handoa vola mihintsy ilay mpandraharaha, fa anjaran’ny « assurance » ny mandoa izany. Nefa nandritra ity raharaha ity dia saika nandray anjara tamin’ny fanelanelanana avokoa ny hery ara-piarahamonina tao Soanierana Ivongo, toy ny tangalamena – raimanadreny ara-drazana – ary fikambanana mpanao gazety Toamasina « AJT », ka vokatra izay nilatsaka ny didy navoakan’ny fitsarana. Tao anatin’izay anefa dia tonga tampoka tany an-toerana ny vadintany ny zoma 08 septambra teo, izay vao taitra ilay mpandraharaha. Nitady vahaolana ilay mpandraharaha mba handoa ny vola mba hiala henatra amin’ny fiaraha-monina an-tanana amin’ny fanagiazana ny fiarabe fananany.

Nambaran’ny vadintany nanatanteraka didy, fa ny 28 septambra ho avy izao no atao ny lavanty ampahibemaso an’ilay kamiao « mercedes 1827 », ka eto Toamasina izany ; nefa mbola azony atao ny fandoavam-bola alohan’ny 20 septambra ho avy izao dia miverina ny kamiaon’ilay mpandraharaha. Nohamafisin’ny fokonolona ao Soanierana Ivongo, fa ity onjam-peo ity ihany no radio tsy miankina tokana ao Soanierana Ivongo. Ho hita eo ny tohin’ny raharaha…

Lire la suite

Articles Similaires