• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Carnets De Madagascar
Image
Vaovao

Kaominina Tameantsoa Betioky : mora vidy ny siratany

13/09/2023 20:30 © Moov.Mg

Malaza ho mitondra voka-tsoa betsaka ho an’ny fahasalamana ny siratany, indrindra ho an’ireo manana tosidrà ambony. Fa fantatrao ve hoe : toy ny ahona ny fomba fanamboarana azy ireny ? Entinay an-tsaina ianao hitsidika toerana fanamboarana siratany iray any amin’i distrikan’i Betioky Atsimo any.

Ranomasina any amin’ny 100 kilometatra

Raha mandeha amin’iny lalam-pirenena faha-10 iny ianao, miditra eo Andranovory, mizotra ho any Betioky, Ampanihy, Tsihombe na Ambovombe Androy, dia tsy maintsy mandalo an’i Tongobory na Tameantsoa. Mora vidy ny siratany eo amin’ireo kaominina roa ireo, satria misy toerana fanamboarana siratany eo Tameantsoa distrikan’i Betioky Atsimo. Raim-pianakaviana iray antsoina hoe : Esoa no nanazava taminay ny fomba fanamboarany siratany, izay asa foto-pivelomany. Mazàna no manakaiky ranomasina ny toerana fanamboarana sira, fa tsy tahaka izany kosa ity toerana ao amin’ny fokontany Androvakely, kaominina Tameantsoa ity. Any Toliara, any amin’ny 100 kilometatra miala ny kaominina Tameantsoa mantsy no misy ny ranomasina akaiky indrindra. Tsy mampino anefa, fa dia masira ny tany ao Androvakely io. Avy amin’ny alalan’io tany io izany no isintonana ny sira.

Tany masira

Raha jerena eto ivelany izy io dia toy ny vovoka fotsiny, fa ny mason-dry zareo efa zatra dia mahita fa misy fotsifotsy manjelanjelatra eny ho eny, izay hita kokoa rehefa mandomando ny tany. Toy izao ary no fomba fanamboaran’i Esoa ny siratany : io tany izay itsahina io no kaohina. Diovina ilay tany avy eo, ka tahaka izao no fanaovana azy : afangaro amin’ny fasika sy apetraka eo ambony karazana harato izay itantavanana azy. Tondrahana rano izany avy eo dia tantavanina. Rano madio tsara no azo avy eo, fa tsy mamotaka, saingy raha andramana kosa ny tsirony dia rano masira. Ampangotrahina mandritra ny tontolo andro indray io rano io ary avela ho ritra tsikelikely ao. Amin’ny farany dia vovo-tsira no tavela eo. Amainina io vovo-tsira io, avela hitsiaka hiraraka amin’ny tany izay ambinkambin-drano tsy ritra tsara. Dia vita !

100 kapoaka isan’andro

Araka ny fantatra dia tsy betsaka ny toerana ahitana ity karazana tany masira fakana siratany ity, fa 3 ihany, raha any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, dia ny ao Ranomay, ny ao Satrampotsy ary ny ao Androvakely kaominina ambanivohitr’i Tameantsoa, izay nifampiresahana tamin’i Esoa. Mahavita siratany manodidina ny 100 kapoaka isan’andro izy, raha ny voalazany, saingy tsy misy firy ny mpandray ,na dia tsy lafo aza no amarotany azy. Manodidina ny 150 Ar no ividianan’ny mpaninjara ny kapoakan’ny siratany eny am-potony ary amidin’izy ireo 300 Ar izany rehefa tonga eny an-tsena.

Tsy mahazo miady mivady

Manana ny finoany ihany koa ireo olona mpanamboatra siratany sasany. Mpanao siratany iray avy any Ranomay izao no nilaza fa fady ny mpanao siratany ny miady mivady amin’ny alina mialohan’ny andro hanamboaran’izy ireo ny siratany. Tsy mahazo vokatra mantsy izy ireo, fa tsy mamoaka sira ny tany, raha vao manao izany. Vokatr’izay dia tena mitandrina be izy ireo mba tsy hifamaly, mba tsy ho lany andro misasatra fotsiny mandritra ny tontolo andro. Fa misy fanazavana ara-tsiantifika koa anefa momba izany : tsy ampy ny tahan-tsira ao amin’ilay tany, hany ka tsy mamoaka sira izy, na dia mandalo ireo dingana rehetra aza.

Na izany aza dia voalaza fa tsy ho lany mihitsy io tany masira io, satria efa izay masira izay mihitsy ny toetoetrany. Ilay ambin-drano masira tsy ritra rahateo dia miverina miraraka amin’ny tany ihany ary azo anamboarana siratany vaovao.


Copyright Image : © RavakaR

Lire la suite

Articles Similaires