• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rfi
Image
Vaovao

Antsohihy : honko sy afiafy miisa 100 saika haondrana an-tsokosoko

13/09/2023 16:36 © Moov.Mg

Vao ny 9 septambra lasa teo no nahatrarana fiara fitateram-bahoaka nitondra hazo sarobidy tany Ihosy, faritra Ihorombe, dia nisy olona tratra saika hanondrana hazo sarobidy ihany koa tany Antsohihy, faritra Sofia, omaly.

Tsy azo ekena ny gaboraraka

Miisa zato ireto hazo saika haondrana an-tsokosoko ireto, nahitana honko sy afiafy, araka ny tatitra voaray avy any an-toerana. Tao amin'ny Port Vaovao ao Antsohihy no nahatrarana izany ary nokasaina ho entina miakatra an-tanàna izy ireo, araka ny fantatra. Tamin’izany no nanambaran’ny Dr Manantsoa Clermond, talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy ao Sofia, fa tsy azo ekena ny fanaovana gaboraraka ny harem-pirenena. Raha izao mantsy no mitohy, hoy hatrany izy, dia ho ritra ireo honko any an-toerana. Vokatr’izany dia tsy hisy intsony koa ny hazan-drano izay mampalaza faritra Sofia, toy drakaka.

Jabihy sy sokatra

Raha tsiahivina kosa ny nitranga tany Ihosy dia fiara fitateram-bahoaka avy any Toliara no tratra nitondra jabihy, izay karazan-kazo tsy fahita raha tsy any Atsimon’i Madagasikara ihany. Efa nosamborina moa ny mpamilin’ity fiara ity ary efa natao fanadihadiana. Fa tamin’io andron’ny 9 septambra io hatrany dia nisy ihany koa ny fahatrarana olona roa lahy niaraka tamin’ny sokatra miisa 201 tao Beloha Androy. Efa novonoin’izy ireo ny 199 tamin’ireo sokatra, nesorina ny henany ary ny 2 sisa velona. Vokatr’io fandripahana ny biby arovana io dia nampahatsiahy ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy fa voararan’ny lalàna ny fihazana, ny fivarotana, fihinanana ary ny fanondranana sokatra.

Miara-miasa amin’ny vondron’olona ifotony

Mba ho fiarovana ireo zava-maniry sy biby sarbidy dia manohy hatrany ny ady amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna sy ny fanondranana azy ireny ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Miara-miasa akaiky amin’ireo mpitandro ny filaminana ny rafitra miady amin’ny kolikoly sy fitrandrahana ny harena voajanahary eo anivon’ity ministera ity ary miara-miasa akaiky ihany koa amin’ireo vondron’olona ifotony amin’ny fanomezam-baovao.

Lire la suite

Articles Similaires