• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meh Ankora.Jpg
Image
Vaovao

Angovo : Harafitra ny volavolan-dalàna hifehy ny akora biolojika

13/09/2023 15:59 © Moov.Mg

Tontosaina nanomboka omaly ary haharitra telo andro ny atrikasa fandrafetana ny volavolan-dalàlana hifehy ny sehatry ny famokarana angovo avy amin’ny akora biolojika. Anisan’ny vahaolana iray aroso hahafahana manamafy ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro sy ny hiarovana ny tontolo iainana izany.

Fandrafetana volavolan-dalàna

Araka ny efa natsidika tetsy ambony dia dinikasa sy fandrafetana ny volavolan-dalàna hifehy ny sehatry ny famokarana angovo azo avy amin’ny akora biolojika na bioénergie no hotanterahana mandritra io telo andro io. Mbola mitohy androany ary tsy hifarana raha tsy rahampitso izany atrikasa izany.
Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fotoana ny ministry ny Angovo sy ny Akoranafo, Andriamanampisoa Solo. Teo ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka toa ny WWF sy ny ONUDI, ireo mpahay lalàna avy amin'ny ministera samihafa, ireo mpisehatra ao anatin’ny angovo avy amin’ny akora biolojika, ireo sampana mahakasika ny fikarohana ara-tontolo iainana ary notronon'ireo Tale isan-tsokajiny eto anivon'ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo.
Raha fintinana dia tonga namaly ny antso avokoa ireo rantsa-mangaika rehetra afaka mandray anjara amin’ny fandrafetana ity volavolan-dalàna hifefy ny sehatry ny famokarana angovo ity. Vinavinaina haroso mandritra ny fotoam-pivoriana manaraka eo anivon’ny parelmanta roa tonta ny volavolan-dalàna izay havoana mandritry atrikasa.

Fiarovana ny tontolo iainana

Antony iray lehibe hirosoana amin’izao fandrafetana volavolan-dàlana izao ny hanamafisana ny fiarovana ny tontolo iainana. Araka ny tatitra nataon’ny MEH tokoa dia mahatratra hatrany amin’ny 40 000 Ha ny ala may ankehitriny vokatry ny fampiasana ny angovo azo avy amin’ny arina fandrehitra. Mahatratra any amin’ny 110 000 taonina isan-taona any ihany koa ny arina fandrehitra ampiasan’ny mponina ho an’Antananarivo fotsiny raha 402 000 taonina izany ho an’i Madagasikara iray manontolo.
Maika dia maika, araka izany ny firosoana amin’ny famokarana angovo azo avy amin’ny akora biolojika, satria anisan’ny vahaolana maharitra hahafahana miady amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana izany. Tanjona ary ankehitriny ny hampiroboroboana ny tontolo maitso sy ny angovo azo avaozina, izay anisan’ny mandray anjara lehibe amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro.

Lire la suite

Articles Similaires