• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Madmoizelle
Image
Vaovao

Gripa mahery mirongatra : Tsy covid-19, hoy ny dokotera

13/09/2023 15:23 © Moov.Mg

Tratran’ny gripa avokoa ny 60%-n’ny olona tonga manatona dokotera amin’izao, araka ny fanadihadiana natao teny anivon’ny toeram-pitsaboana iray. Ankizy sy zazakely no maro amin’ireo ary somary mahery ny fomba fisehon’ny aretina.

Mandeha ihany koa ny tsaho fa mety miverina mirongatra indray ny Covid-19, antony mahatonga ny sery, kohaka sy fanaviana miseho amin’ny olona maro amin’izao fotoana io. Tsy mitombina anefa izany, hoy ny dokotera.

Toetr’andro mivadibadika

Fotoana mampirongatra ny gripa mihitsy izao vanim-potoana manasara-taona izao, raha ny fanazavana nomen’ny mpitsabo. Ireo olona marefo, toy ny zazakely, no tena tsy mahazaka ilay toetr’andro mivadibadika, ka mitarika ny aretina. Etsy an-daniny, zatra niaro tena tamin’ny virosy isika, nandritra ny fotoana nampiparitaka ny Covid-19, ka nanaraka tsara ireo fihetsika sakana manohitra ny aretina, toy ny fanasana tanana, ny fanajana ny elanelana sy ny fanaovana arovava. Mivaha anefa izany fahazarana tsara izany ankehitriny, hany ka lasa mora andairan’aretina. Efa tsy zatra miatrika virosy intsony ny hery fiarovana, noho ireo fihetsika sakana natao, hany ka lasa marefo kokoa ny olona ankehitriny.

Tohizina ny fihetsika sakana

Raha ny torohevitry ny dokotera ary, dia tsara kokoa raha manao vaksiny miaro amin’ny gripa isan-taona ny olona, raha manana fahafahana manao izany. Misy karazany ihany koa mantsy ny virosina gripa, hoy ny fanazavany, ka mety tsy mahaaro amin’ny karazana virosy mitranga amin’ity taona ity ilay vaksiny natao tamin’ny taon-dasa. Raha toa moa ka tsy afaka manao ilay vaksiny, dia torohevitry ny mpitsabo ny hanohizana hatrany ny fampiharana ny fihetsika sakana, mba tsy ho mora hiparitaka ny otrikaretina.

Lire la suite

Articles Similaires