• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Vegalia
Image
Vaovao

Kakao : Hanondranana vokatra makany Amerika

13/09/2023 14:18 © Moov.Mg

Anisan’ny sehatra iray miroborobo sy mbola azo trandrahana tsara ny Kakao. Ho fampiroboroboana ny sehatra dia mametraka tanjona ny hanitatra ny tsena iraisam-pirenena izay misy azy ireo ny mpisehatra ao anatin’ny Kakao. Resahana manokana amin’izany ny tsena amerikana.

Atrikasa natao ho an’ireo mpisehatra

Nanomboka omaly 12 septambra, ary haharitra telo andro ny atrikasa hiresahana mahakasika ireo tanjona iombonan’ny mpisehatra ao anatin’ny seha-pihariana Kakao. Fotoana iray izay hijerena ny paikadim-pirenena momba ny tsenam-barotra AGOA ihany koa izany, izay marihina fa efa voafaritra mialoha.
Mpandraharaha maherin’ny 30 eo no mandray anjara amin’izany atrikasa izany. Tafiditra ao anatin’izany ohatra ireo orinasa, ireo kaoperativa, ireo mpamboly kakao, ireo mpanangom-bokatra sy ireo mpikarakara ary ireo mpanondrana kakao mankany ivelany.
"Natao hanampiana ny mpandraharaha malagasy ahafahana miroborobo, manome asa ny olona ary mitondra ny mari-pamantarana Kakao tsara indrindra maneran-tany any amin'ny tsena amerikana izao Atrikasa izao", hoy ny tompon'andraikitra misahana ny AGOA eo amin'ny Minisitera (MICC), Rindra Lova Andriamahefa, nanazava.

Hanafika ny tsena Amerikana

Fahalalana maro momba ny seha-pihariana Kakao no hisitrahan’ireo mpandray anjara amin’ity atrikasa ity. Jerena manokana ao anatin’izany ny mahakasika « ny fomba fanondranana entana mankany Amerika, ny ezaka efa natomboka hanamorana izany, ny fahafahana misitraka atontam-baovao ilaina amin’ny fanondranana ary ny fanampiana sy ny famatsiam-bola azon’ny mpiara-miombon’antoka omena », hoy ny ministeran’ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana manazava.
Hita mandritra izany atrikasa izany fa mitovy ny fomba fijerin’ireo mpisehatra. Tanjona iombonan’izy ireo amin’izany ny hidirana amin’ny tsena amerikana, izay mitentina eo amin’ny 853 tapitrisa dolara eo. Anisan’ny sehatra iray lehibe manampy amin’ny firoboroboana ara-toekarena tokoa ny Kakao. Raha ny tamin’ny taon-dasa fotsiny no jerena dia vola mitentina 23 tapitrisa dolara teo ho eo no niditra tamin’ny kitapom-bolam-panjakana tamin’ny alàlan’ity seha-pihariana ity.
Antenaina ny hitohizan’ny atrikasa toa izao, fa ihany koa ny hitohizan’ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ireo mpiara-miombon’antoka vahiny toa ny AGOA. Fomba iray hahafahana mampiroborobo ny sehatry ny Kakao izany, fa ihany koa hanohanana ireo tantsaha sy mpisehatra isan-tsokajiny.

Lire la suite

Articles Similaires