• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Imamba : Lehilahy roa nahatratrarana rongony

13/09/2023 08:44 © Midi Madagasikara

Tsy nampoizin’ireto roa lahy ireto mihitsy fa efa misy polisy manao fanamiana sivily mihaodihaody sy manao fisafoana nanara-maso an-dry zalahy ireto.

Ny andron’ny alarobia antoandro teo, tokony ho tamin’ny mitataovonana tany ho any no efa narahi-maso ny fihetsika hafahafa nataon’izy ireo, teo amin’iny tetezan’Imamba iny.

Eny rahateo, araka ny fanazavana azo avy amin’ny pôlisy, dia tsy maintsy misy foana ny fisafoana ataon’izy ireo. Iaraha-mahalala rahateo ny firongatry tsy fandriam-pahalemana eny an-toerana. Paik’ady maromaro mihitsy no napetrak’ireo mpitandro filaminana, hanjonoana ireo tontakely manao ny asa ratsiny eny an-toerana, ka ao anatin’izany ny fametrahana ireo pôlisy tsy manao fanamiana. Tamin’io fotoana io, raha ny vaovao azo hatrany, dia niroso avy hatrany tamin’ny fisavana azy ireo ireo mpitandro filaminana, rehefa tsikaritra izany fihetsika hafahafa nataon’izy ireo izany.

« Rehefa nosavaina teny amin’izy ireo dia nahitana rongony maromaro teny aminy », hoy ny vaovao azo hatrany. Ankevitry ny mety ho mpanaparitaka sy mpandray zava-mahadomelina eny an-toerana izy ireo, raha ny habetsaky ny rongony hita tany aminy. Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny kaomisarian’Avaradrano izy roa lahy ireto ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy, alohan’ny hanolorana azy ireo eny anivon’ny Fitsaràna.

Lire la suite

Articles Similaires